airtel

kolontsaina

15-nov-2021

kolontsaina

Tontolon’ny zavakanto Mpanakanto roa no indray namoy ny ainy

Sample post image

Misaona tanteraka ny tontolon’ny zavakanto ny faran’ny herinandro teo. Mpanankato roam antsy no indray nindaosin’ny fahafatesana.

15-nov-2021

 Anisan’ireny i Biry ao amin’ny tarika Ny Rainilovy sy Mamy ao amin’ny tarika Ivoara. 87 taona i Biry na Randriamahatana Bruno no izao nodimandry izao. Izy no nanorina ny tarika NY Railovy tamin’ny taona 1956 niaraka tamin’i Jerome Randria izay tsy iza fa rahalahiny ihany. Mpamoron-kira tao anatin’ny tarika izy. I Mamy kosa no anaran’ilay mpanankato iray namorona ny tarika Ivoara. Tany amin’ny taona 2005 tany no niforonan’ny tarika Ivoara, fantatry ny maro tamin’ilay hira hoe : tiako ianao. Maro tamin’ireo mpankafy azy mirahalahy mianaka ireto araka izany no tohana tanteraka ny fony. Izahay eto amin’ny gazety Tia Tanindrazana dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’izy mirahalahy mianaka nodimadry ireto.
Pati
Legende : Izy roalahy mianaka mpanankato samy nodimandry
 

Dans la même rubrique

29-avril-2024

Nodimandry omaly maraina tokony hobtamin'ny 7 ora sasany teo amin'ny faha 48 taonany i Andriamazava

Card image cap