airtel

kolontsaina

27-juin-2022

kolontsaina

Top Kanto 2022 Lasan’ny tarika Hiravo ny laharana voalohany

Sample post image

Tontosa soamantsara ny zoma 24 jona tolakandro ny dingana famaranana ny lalao Top kanto andiany faharoa "hihira ho an'ny Gasikara".

27-juin-2022

Nibata ny laharana voalohany ny tarika Hiravo. Nitondra ny laharana faharoa ny tarika Laud. Ny laharana fahatelo no azon'ny tarika Diary sy Navalona. Isaorana mitafotafo, araka izany, ireo nandray anjara rehetra, hoy ny mpikarakara. Tsy hadinoina koa ireo mpanohana ity fandaharan’ny Top radio 102.8 fm ity rehetra dia ny Ski Muzik, Karibotel, PK27, Infinix, Tecno, Flamingo, Proxishop, SIDEX-OI, Mada Mix Dance, S25SOYA, Fitia Boutique, Verovero, Charm'elle, Excellence Beauté, Miss C'lush. Arahabaina manokana kosa ny tarika Hiravo fa dia lasany indray izany ny laharana voalohany tamin’ity andiany ity. Amin’ny andiany fahatelo indray, araka izany, ny fotoana manaraka.


Onjampeo mivoy sy manasongadina ny Maha Malagasy sy ny vita Malagasy ny Top Radio 102.8 fm, izay Malagasy 100%, ka tafiditra ao anatin’izany ny fanohanana ireo mpanakanto na ireo mana-talenta ka anton’ny nametrahana ny fifaninanana Top Kanto.Mifandraika amin’ny fitiavan-tanindrazana izany izay tokony ho toetra raiki-tapisaka amin’ny Malagasy tsirairay isan’andro fa tsy hoe rehefa fetim-pirenena ihany.
J. Mirija
Legende: Izy 3 mirahavavy ao amin’ny tarika Hiravo
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Araka ny rafitra iraisam-pirenena momba ny tantara an-tsehatra na teatra dia isaky ny 27 martsa

Card image cap
27-mars-2024

Hafotaka ny fankalazana ny fetin’ny Paska amin’ity taona 2024 ity ho an’ny ao Antsirabe,

Card image cap