airtel

kolontsaina

23-juin-2022

kolontsaina

TOP KANTO andiany faharoa Raikitra ny dingana famaranana

Sample post image

"Hπ˜ͺ𝘩π˜ͺ𝘳𝘒 𝘩𝘰 𝘒𝘯'π˜ͺ 𝘎𝘒𝘴π˜ͺ𝘬𝘒𝘳𝘒", izay moa no tena filamatry ny lalao fifaninanan-kira Top Kanto, fandaharana, fifaninan-kira eo anivon’ny onja-peo Top Radio FM 102.8.

23-juin-2022

Raikitra indray ankehitriny ny dingana famaranana ho an’ity andiany faharoa ity. Toy izao ireo "code-voting" mifanaraka amin'ireo mpifaninana tafiakatra amin'izany dingana famaranana izany; Ny laharana AIRTEL 𝟬𝟯𝟯 𝟱𝟲 𝟬𝟬 𝟰𝟬𝟭no andefasana ireo SMS-voting. Laharana π—”π—œπ—₯π—§π—˜π—Ÿ-π—œπ—₯π—˜π—₯𝗬 ihany no afaka hifidianana. Ny SMS iray dia vato iray ho an'ireo mpifaninana. Afaka mandefa SMS maro ny puce-AIRTEL iray. Toy izao manaraka izao kosa no fomba hanaovana ny safidy; Ny "code-voting" mifanaraka amin'ny mpandray anjara tianao no alefanao, izany hoe: TOP [espace] K [espace] laharan'ilay mpandray anjara tianao. Ohatra: TOP K 01. Mifarana rahampitso zoma 24 Jona amin'ny 12 ora atoandro moa ny fandraisana ireo SMS fanohanana. 50%n'ny isa dia ny mpifidy no manome azy raha ny 50% kosa ny an'ny mpitsara. TOP KANTO - andiany faha roa : "𝘩π˜ͺ𝘩π˜ͺ𝘳𝘒 𝘩𝘰 𝘒𝘯'π˜ͺ 𝘎𝘒𝘴π˜ͺ𝘬𝘒𝘳𝘒".
EFA VONONA IREO MPANOHANA SY MPIARA-MIASA
Efa vonona ary faly mandray anjara amin’ny fanohanana sy fiaraha-miombon’antoka amin’ity fifaninanan-kira Top Kanto andiany faharoa ity ihany koa ireo mpanohana sy mpiara-miasa rehetra. Izy ireo rahateo moa no hanolotra ireo loka na fanomezana samihafa mandritr’izao fifaninanan-kira izao. Isan’izany ny Infinix, ny Tecno, ny Soya izay nahatonga solontena niara-nitafa tamin’ireo mpifaninana tetsy amin’ny Karibotel Analakely. Isany koa ny Excellence beauté, ny Vero Vero, Sidex-OI, Charmelle beauté, PK 27, Miss Cl’Hish, Flamingo, Fitia boutique, Ski-musik. Omaly rahateo ihany koa no nanome ny toromarika farany mialohan’ny tena higadonany ireo mpitsara sy mpanentana mandritra ity fifaninanana hira indrana ity.
Légende :
-Vonona izahay, hoy ny ao amin’ny TECNO
- Hanolotra loka maro koa ny Infinix
- Amin'ilay tsy ampoizina ny loka ho atolotray, hoy ry zareo ao amin'ny Soya, mpamokatra vokatra ara-tsakafo sambany nandray anjara amin'ny fanohanana ity fifaninanan-kira ity.
Nanangona sy nandrindra : J. Mirija


 

Dans la mΓͺme rubrique

26-avril-2024

Efa fanaon’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga ny asa sosialy sy fidinana ifotony ijerena ny fiainan’ireo tantsaha,

Card image cap