airtel

kolontsaina

10-mars-2025

Tovo J’hay

Raikitra ny fitetezam-paritra ao Frantsa

Sample post image

Tongasoa! Lasa izao, hoy ny mpanakanto, Tovo J’hay, satria dia raikitra hatramin’ny

10-mars-2025

omaly 9 martsa 2025 ny fitetezam-paritra ataon’ity zokiben’ny gadona Soul eto Madagasikara ity ao Frantsa mandritry ny 1 volana sy tapany eo, raha ny fampitam-baovao voaray. Tao amin’ny New Morning ao Paris no nanombohany azy omaly alahady. Ny sabotsy 15 martsa izao dia hihazo an’i Toulouse indray ny tarika. Ho any Bordeaux avy eo ny ampitson’io. Ao amin’ny Haute Savoie, Cruseilles, no fotoana ny sabotsy 22 martsa. Ho any Montpellier indray ny 29 martsa. Strasbourg ny 5 aprily, andro sabotsy hatrany io. Lyon ny 12 aprily ary ny sabotsy 26 aprily ao Marseille, raha ny fampitàna hatrany ny fandaharam-potoana voaray.
Nangonin’i J. Mirija

 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Rehefa manakaiky toy izao ny fety ny reny dia tsy vitsy ireo magazay

Card image cap
22-mai-2025

Raikitra ny Fetin’ny Maman’ty grand retour amin’ity taona 2025 ity

Card image cap