airtel

kolontsaina

20-déc-2021

kolontsaina

Tsara tarehy madagasikara Lasan’i Edmine Minah ny amboara

Sample post image

Lasan’i Edmine Minah, avy amin’ny foko vezo ny amboara tamin’ilay fifaninana Tsara tarehy Madagasikara nandraisan’ireo foko 18 eto Madagasikara anjara,

20-déc-2021

 lanonana notanterahina ny faran’ny herinandro teo. Teny amin’ny Arenah Ivandry no namaranana ny fifaninanana izay lasan’ny faritanin’i Toliara. Lasan’ny foko Antambahoaka any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany kosa ny 1ere Dauphine izay nosoloan’i Soamihavana Prisca. Norombahin-dRakotonizao Miora Onotsoa avy eto Imerina kosa ny « coup de cœur » avy amin’ny mpitsara. Nafana ny lanonana tamin’ny ankapobeny. Tsiahivina moa fa tsy hipaka any ivelany akory ny asa hosahanin’izy 3 mirahavavy ireto fa hijanona eto Madagasikara ihany ka ny asa soa entina hanampiana ny mpiara-belona no tena hiantsorohany amin’izany. Pati
Legende : Nandritra ny fifaninana ! SARY NINDRAMINA
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

Card image cap
23-avril-2024

Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,

Card image cap