Fotoan-dehibe ho an’ny Tarika Tselatra sy ny mpankafy ny alahady 02 aogositra 2026 izao etsy Antsahamanitra manomboka amin’ny 2ora sy 45 minitra tolakandro, ao anatin’ny fankalazana ny faha-45 taona. Zava-dehibe amin’ny fiainan’ny tarika sy ny fiarahana amin’ny mpankafy. « Raha namorona ny Tarika Tselatra ny tenako dia tsy nieritreritra na iza na iza fa ny fitiavako mozika. Nezahana nampiarahana ihany ny fianarana sy ny mozika, fa naka toerana be tamin’ny fiainana sy ny fanahy ny mozika », hoy i Eric Tselatra, mpamorina ny tarika. Nandritra izay fotoana izay, misy zavatra atao, ary efa navaozina daholo, mandroso ary misy zavatra mivoatra entina manome fahafaham-po ny mpankafy. « Ny tena fanirianay dia tena hahita zavatra ianareo, hisy zavatra hapetrakay amin’ny tantaran’ny rock Malagasy », hoy hatrany izy. Nandalo olana kely tamin’ny maso moa i Eric fa efa mahita, misy « conflit » kely sisa ny maso roa, hoy izy. Ho azy, tena niainana ilay izy, famoronana miantraika amin’ny vatana sy ny fanahy aloha vao ny manodidina. Fanalahidy ho an’ny Tarika dia Andriamanitra izay tompon’ny fiaianana. Marina ny zavatra nolalovana, efa ela ny zavatra nambolena, ary naniry, ka amin’io dia efa vokatra sy masaka no atolotra.
TENA NY ZAVATRA NIAINANA NO AVOAKA ANATY « ROCK »
« Nipoitra tany amin’ny fanandevozana, nisy ny nijaly tamin’ny fanjanahana maro,… ka nivoatra ilay izy, tany amin’ny rock no namoahana ny hetahetam-po sy ny sedra iainana, ka ny « rock » izany dia vato, mafy,... Ny zavatra niainay tamin’ny mbola tanora dia mafy, ary mbola mahita izahay amin’izao fa mafy ny iainan’ny tanora. Mozika isan’ny tiana sy nankafizina sady nampita zavatra sy nitondra zavatra be dia be tamin’ny fiaianana », hoy hatrany i Eric. Ho an’ny tarika manokana, efa ela no niarahana fony mbola bandibandikely, na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra, miara-mamorona, miara-mikatsaka amin’ny zavatra tsara hatrany amin’ny mozika mavesatra,... Nankasitraka hatrany ny mpankafy ny Tarika Tselatra noho fitiavana sy ny tsy fanadinoana, ka nanamafy fa miezaka hatrany hifampita ny zava-tsoa sy ny tsara foana, hoy izy ireo. Tsy tambo isaina ny hira, misy aza ireo vaovao mbola tsy tafavoaka, ezahana ny hamoaka fahatsiarovana ao anatin’io, ka nanentanan’ny Tarika Tselatra ny mpankafy ho tonga maro satria efa masaka ny zava-drehetra. « Ny fiainana no mety ho ratsy, fa ny Malgasy mahay, ary izaho mino foana fa mbola ho lasa isika, indrindra amin’ny lafiny zava-kanto, mbola hanana ny toerana maha Gasy ny Gasy isika, fa ny angatahako amin’ny Malagasy fotsiny dia ny hoe andao hiezaka tsy halaza ratsy isika, tsy ho hita hoe Malagasy mpamono olona, Malagasy izao sy izao,…», hoy i Eric Tselatra raha niresaka ny kolontsaina sy ny zava-misy ankehitriny.
Azo jifaina ao amin’ny tranonkala www.ketrika.com, Super Music Analakely, Garage Mozika 67HA ny tapakila
Toky R