airtel

kolontsaina

08-avril-2024

kolontsaina

Turdi Ovule Vorona malagasy tsy manatody fa mitondra vohoka

Sample post image

Ny Turdi Ovule no vorona malagasy tsy manatody fa mitondra vohoka hitan’ny siansa,

08-avril-2024

raha ny vaovao nampitain’ny Wilson Journal of Ornithology, izay gazety siantifika mandinika izany tamin’ity taona 2024 ity. Nanaitra ny mpanara-baovao ankoatra izay ny faran’ny herinandro teo ny nahafantatra fa tsy mila manorim-ponenana eny ambonin’ny hazo ity karazam-borona iray ity. Aorian’ny fitondrana vohoka dia miteraka roa ny vavin’ity vorona ity. An-kavitsiana koa anefa ireo mitoe-jaza miisa 3 mifono tsara anaty kitapo hoditra na «cuir» voajanahary. 4 ora aorian’ny fahaterahany kosa dia efa afaka manidina ireo zana-borona. Tranga maningana amin’ny tontolon’ny vorona koa io, raha ny fanazavana. Ilay mpahaivorona na «ornithologue» kanadianina, Letitia Balls, moa dia manazava ao amin’ny boky nosoratany, Our Unique Planet, fa na eo aza ny fitondran’ireo vavim-borona ireo vohoka be dia vitan’izy ireo ihany ny mifindra monina any amin’ny 20.000km any rehefa tonga ny fotoana tsy maintsy hifindran’izy ireo toerana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique