airtel

kolontsaina

12-mars-2024

Vato mirafitra ao Ankatso

Averina amin’ny toerany ireo nosoratan’ny mpifankatia

Sample post image

Nanazava ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny fakiolten’ny

12-mars-2024

toekarena sy fitantanana ary haifiarahamonina na EGS eny amin’ny oniversiten’Antananarivo fa ireo mpifankatia manoratra ny anarany eo amin’ireo vato mirafitra eo anivon’ity fakiolte eny Ankatso ity, izany hoe eo akaikin’ny efitrano lehibe na «Grand Amphi» dia saika tsy tafasaraka intsony. Tsy mikitika ny tantaram-pitiavan’izy ireo, noho izany, izahay, hoy izy, na dia eo am-panamboarana ireo rindrim-bato mianjera sy efa mitady hianjera aza. Averinay tsara amin’ny toerany izany raha sanatria amin’ireo vato nianjera. Aleonay, hoy hatrany ity tomponandraikitra ity, mahita azy ireo manoratra eo toy izay any amin’ny rindrin’ny efitrano fianarana any. Averina amin’ny toerany ireo nosoratan’ny mpifankatia.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique