airtel

kolontsaina

13-mai-2025

VEHIVAVY ANY AMIN’NY FARITRA

Mbola betsaka ireo tsy alefan-dRay aman-dReniny mianatra…

Sample post image

Mbola tsy misitraka ny zony ny ankamaroan’ireo zazavavy any amin’ny Faritra.

13-mai-2025

Betsaka ireo tsy alefan-dRay aman-dReniny mianatra akory fa miandry vady. Tsy mbola manan-tsafidy koa anefa fa alefa manaraka ireo lehilahy mpanan’omby rehefa misy mangataka ka rehefa malozotra sy mihalany mamy dia soloin’ny lehilahy mpanan’omby ankizivavy hafa indray. Io ilay antsoina hoe : Moletry hoy Ramatoa Rahaingosoa Louise Odette. Ilaina fanentanana goavana sy fanovana ny toe-tsain-dRay aman-dReny mihitsy izany hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity. Mandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy Afrikana no hanaovan’izy ireo hetsika mifandraika amin’izany. Hisy ny fanitsiana ny fomba fitaizana ny zazavavy mba ho afaka hivelatra sy hisitraka ny zony feno izy ireny. Ny 31 Jolay ho avy izao no hanatanterahana ny lanonana any amin’ny distrikan’i Bealanana, Faritra Sofia. Haharitra 3 andro izany ka hisy ny trano eva hampirantian’ireo fikambanam-behivavy ny asa tanana sy ny vokatry ny tany mampahalaza iny faritra iny. Hisy ihany koa ny fampianarana mamboly mangahazo izay tokony hahazoana 50Kg ny fototra iray ao anatin’ny enim-bolana arahin’ny fanamboarana savony. Mba ho tombontsoan’ny vehivavy no tanjona, hanatsaran’izy ireny ny velontenany. Tsy vesatry ny fiaraha-monina araka ny fahitan’ny sasany azy mihitsy mantsy ny vehivavy fa tena fanoitry ny fampandrosoana ary mahavita zavatra lavitra noho ny lehilahy rehefa afaka mivelatra sy mahazo tohana.
Pati
Legende : Rahaingosoa Louise Odette, anisan’ireo tompon’andraikitra mikarakara ny hetsika !

 

Dans la même rubrique

19-juin-2025

Namoaka mpikabary sangany sy matihanina miisa 400 mianadahy mianaka

Card image cap