airtel

kolontsaina

29-janv-2021

kolontsaina

Vohitra masin’Alasora Nanaovana famerenan-kasina

Sample post image

Niverina nidina ifotony teny amin’ny vohitr’Ambohitrandriananahary omaly ireo

29-janv-2021

 

 

 

terak’Andriamananintany sy ny fikambanana Zon’olombelona mampandroso vahoaka, tarihin’ny filohany, Chandoutis Raoera, sy ireo solontenan’ny minisiteran’ny kolontsaina notarihin’ny tale jeneraliny, Francis Razafiarison, ary ny ben’ny tananan’Alasora, Jimmy Randriantsoa. Araka ny fanazavana, dia nisy nialohan’io ny fivoriana niarahana tamin’ireo olona namarotra sy nividy ity ampahan-tany ao amin’ny tendrombohitra masin’Alasora ity. Nodinihin’ny ministera raha tafiditra tokoa anaty ativory ity ampahan-tany novidian’ireo teratany sinoa ity ary voamarina fa izay tokoa no zava-misy, hoy ny fanazavana. Mbola hita teny an-toerana dia nalany avy eo ireo fitaovana hiasan’ireo sinoa, hoy ny filohan’ny Zon’olombelona mampandroso vahoaka. Fantatra ihany koa, hoy izy, fa nisy nandoro ity vohitra masina ity ary nisy nanimbazimba nitondra kisoa. Karazana famerenan-kasina noho izany no natao iny omaly iny, raha ny fanazavana hatrany. Nisy, araka izany, ny fitondrana ronono sy tantely teny an-toerana ho fanatontosana izay famerenan-kasina izay. Vohitra voalohany amin’ireo Vohitra masina 12 ity eny Alasora ity. Fototry ny firenena Malagasy io, hoy hatrany ny fanazavana, ka omena ny vahiny foana daholo ve ?

 J. Mirija

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fanaon’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga ny asa sosialy sy fidinana ifotony ijerena ny fiainan’ireo tantsaha,

Card image cap