airtel

kolontsaina

24-août-2021

kolontsaina

Wada sy Yoongs Hampirevy ao Anat-saha

Sample post image

Ayeee!! Tsy misy izay tsy mahalala izay tononkira zary lasa hiaka ao anaty tambazotran-tseraseran’izy mirahalahy izay ny mpanaraka izany Wada sy Yoongs izany ao anaty Facebook ao.

24-août-2021

Tato ho ato dia ny fanentanana ny olona amin’ny alalan’ity tambazotra ity mba tsy “haka lagy” amin’ny fiainana no tena lasa nahafantaran’ny maro izany Wada sy Yoongs. Saika adinodino fa mpanakanto, mpihira manana hira maro tsy afaka am-bavan’ny betsaka koa, indrindra, ny tanora, izy mirahalahy ireto. Ankoatry « Ayeee » dia misy ny « Tsangory mivadika » koa any. Misy koa ireo vazo milalao teny sady mahatonga saina hiarahan-dry zalahy miasa amin’ireo mpanakanto namany toy ny « Miara mila », izay fiaraha-miasa amin’ny mpanakanto, Malm. Eo koa ilay hoe « SAMVA » izay hiarahan’izy ireo amin’i Agrad. Hampirevy ao Anat-saha etsy amin’ny Route digue Andohatapenaka ry zalahy ireto ny tolakandron’ny 10 septambra izao. Tongava, hoy izy ireo, fa hisy ny tsakitsaky sy zava-pisotro maro isan-karazany eny an-toerana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Araka ny rafitra iraisam-pirenena momba ny tantara an-tsehatra na teatra dia isaky ny 27 martsa

Card image cap
27-mars-2024

Hafotaka ny fankalazana ny fetin’ny Paska amin’ity taona 2024 ity ho an’ny ao Antsirabe,

Card image cap