airtel

kolontsaina

10-mai-2022

kolontsaina

Wendy Cathalina Saika nivarina tanaty hantsana ny fiara nitondra azy

Sample post image

Niharan-doza ny mpanankato Wendy Cathalina sy ny ekipany rehefa avy nanatanteraka fampisehoana tao Moramanga Bezanozano Hôtel ny Sabotsy 07 mey lasa teo nandritra ny fifantenana ireo vehivavy tsara tarehy

10-mai-2022

nandray anjara tamin’ilay Miss Majestics tany an-toerana. Raha tsiahivina kely ny tantara dia ny marainan’ny 08 mey izy ireo no tra-doza rehefa nikasa hamonjy fodiana teto an-drenivohitra izany hoe ; afak’omaly. Tena nandeha mora tokoa ny fiara nitondra azy ireo hoy ny loharanom-baovao noho ny haratsian’ny lalam-pirenena faharoa sy ny tsy fahazaran’izy ireo manao izany.Na izany aza anefa dia nisy olana ara-teknika ilay fiara notaingena’izy ireo raha ny fanazavan'ireo olona mahay resaka fiara. Tsy nety nivily intsony mantsy ny familian’ilay fiara rehefa navily raha tsy nihinana ihany koa ny tsindry hisatra rehefa nitsahina. Efa tena nahazo sisina anefa ilay fiara nandritra izany ary hantsana be avy hatrany no tao ambadika. Nitongilana tany amin’ilay hantsana ilay fiara vokatr’izany niaraka tamin’ny ekipa rehetra. Nisy tamin’ireo ekipa no naratra noho izany. Raha araka ny fanazavan'ireo olona izay nijery ilay fiara moa taorian'ny tranga dia olana mikasika ilay "assisté" no nitarika ny loza. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza avy avokoa moa ny ekipa rehetra raha ny loharanom-baovao azo farany.
Nangonin’i Pati
Legende : Niheren-doza i Wendy Cathalina
 

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

Card image cap
23-avril-2024

Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,

Card image cap