airtel

kolontsaina

05-mars-2021

kolontsaina

World Music Hiavaka ny fiarahana amin’i Davis

Sample post image

Revy hafa mihitsy no iarahana amin’ny mpanakanto mpiangaly ny World music, Davis,

05-mars-2021

 

 

 etsy amin’ny No comment bar ny alin’ny 11 martsa izao. Andeha irery ity mpanakanto ity raha ny fiarahana tamin’i Mika ao amin’ny tarika Mika sy Davis, mazava ho azy, no tena nahafantarana ny feony izay niavaka tokoa rehefa mihira an-dry “Ampelako”, “Amiako anao”, “Tsaiky joby” sy ireo Bolero nanamarika ny teo anelanelan’ny taona 2000 sy 2010, izay tena nampamiratra an-drizalahy ireto. Niavaka ireny fotoana ireny sy izay fotoana manaraka mbola hiarahan’izy mirahalahy ireto ao aoriana kely ao, hoy ny firariana, fa ny amin’io alakamisy aloha izany dia mbola fiavahana hafa ihany koa satria ho sambany no hahita sy handre izany Davis mandeha irery izany. Ao anatin’ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana no hanatontosana izany rehetra izany, hoy hatrany ny fanamarihana sy fanazavan’ny mpikarakara.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

Card image cap
23-avril-2024

Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,

Card image cap