Ny fandrindràna ankapobeny ny fiaraha-miombon’antoka sy fifandraisana iraisampirenena ho an’ireo oniversite miisa 17 sy ivon-toeram-pikarohana ary minisitera tomponandraikitr’izany no anjara asa ankapoben’ny departemanta hiadidiaka ankehitriny, hoy ny talen’ny fampiroboroboana ny fiaraha-miombon’antoka sy fifandraisana iraisampirenena eo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa na «Promotion du partenariat et de la coordination des relations internationales auprès du Mesupres» vaovao, Zafinjaka Ratovoherinavalona. Isan’ny mampandeha ny fampianarana, indrindra, ny fampianarana ambaratonga ambony, hoy izy, ny fifanakalozana traikefa amin’ireo oniversite hafa manerantany. Ilaina ny fandrindràna izany sy ny mifandray amin’ireo oniversite ireo, indrindra, manoloana ny firoborobon’ny tekinolojia ankehitriny. Eo ny fizaràna fahaiza-manao sy traikefa amin’ireo oniversite hafa manerantany, indrindra, tany mandroso. Tsy mandeha ila io fa mifampiankina amin’ny politikam-panjakàna amin’ny ankapobeny. Na izany aza nefa dia hiezaka isika hanana ireo haitao iraisampirenena amin’ireo oniversite sy toeram-pikarohana maro samihafa eto amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa. Ny fifanakalozana iraisampirenena no ahafahantsika mampiakatra sy manatsara ny lentan’ny fampianarana ambony eto Madagasikara. Ezahana ny hampitovy lenta ny fampianarana ambony manerana ny nosy na ireo oniversite miankina io na tsy miankina manerana an’i Madagasikara. Fanatsaràna hatrany ny kalitaon’ny fampianarana amin’ny alalan’ity departemanta ity, araka izany, no tanjona. Isan’ny manana lenta avo iraisampirenena rahateo, araka ny hitantsika amin’ireo vaovao iraisampirenena samihafa, ny mpikaroka malagasy. Tazana foana isika amin’ny ankapobeny amin’ireo fifaninanana iraisampirenena ka ezahana ampitomboina hatrany izay lenta izay, hoy hatrany izy.
J. Mirija