airtel

kolontsaina

12-janv-2022

kolontsaina

Zaranaina Christian “Havoaka afaka 2 volana ny fanafody manafoana Coronavirus”

Sample post image

Mitombona, raha ny zava-misy no lazaina, ny fisian’ilay “variant” vaovaon’ny Coronavirus, hoy ny mpikaroka, Zaranaina Christian.

12-janv-2022

Navoakana laboratoara miisa 2 izy io, hoy izy. “Chypriote” ny iray dia voamarina taty Frantsa koa izy io. Raha araka ny lalana mifehy ny fampahafantarana na “publication” dia iny nofoanan-drizareo iny moa ny famoahana an’io hoe karazana “variant” io amin’ny fomba ofisialy. Napetraky ry zareo hoe mbola mandalo fandalo fandinihana aloha na tena ho sokajiana tokoa hoe “variant Deltacron” fa ny tena marina dia karazana “variant” vaovao nivoaka avy ao Israely izy io. Tranga miisa 17 no efa voamarina rehefa nampitahaina ilay “séquence génétique” an’ilay Omicron sy ilay Deltacron io dia hita ny fahasamihafany. Saropady ny resaka toy itony ka raha tsy fampahafantarana amin’ireo karazana gazety fampahafantarana na “revue de publication” izay avoakan’ny firenena goavana, indrindra, toy ny firenena amerikanina sy britanika moa izany dia tsy azo avoaka aloha hoe misy. Niarahantsika nahita ny fanambaran’ny filoham-pirenena frantsay fa mandra-paha tapitr’io aloha dia tsy maintsy misy fameriny na “rappel” isan-3 volana aloha ny vakisinin’ny Covid 19. Hamoaka fanafody amin’izay dia RTA na “remède traditionnel amélioré” izahay hahafahana mitsabo avy hatrany ny olona voan’ny Coronavirus izahay dia ampiasana tekinika haingam-pandeha ho tonga toy ny aretina rehetra hoe rehefa marary ilay olona dia ity ny fanafody hohaniny. Miheritreritra izahay hoe afaka 2 volana eo no hamoaka io fanafody io. Eo am-panomanana izahay izao. Izay no heverinay fa lalan-tokana hahafahana manafoana an’io eto ambonin’ny tany. Efa iarahantsika mahita fa miova tanteraka mihitsy amin’izao fotoana izao ny famaritana ny atao hoe vakisiny izay ampiasaina toy ny atao hoe “pro-medicament” na fampakarana hery fiarovana. Ity havoakanay ity kosa dia tena fanafody ho raisina rehefa marary ny olona ary hametraka ilay Covid 19 ho toy ny aretina tsotra rehetra mpiseho isan-taona toy ny tazo, ohatra, hoy hatrany ity mpikaroka ity.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique