airtel

kolontsaina

07-mars-2024

Zazavavikely 7 sy 11 taona

Mahavita zava-kanto miteti-bidy 500.000 Ariary

Sample post image

11 taona i Mamiratra na Razanakoto Ratsifandrihamanana Mamiratra Ihirantsoa.

07-mars-2024

7 taona i Maminiaiko na Razanakoto Ratsifandriamanana Maminiaiko Itokiana. 2 taona izay izy mirahavavy no namorona ireny firavaka amin’ny tanana na «bracelet» vita amin’ny vato sy akora maro tahaka ny «nacre» ireny mba hahafahan’izy ireo maneho ny fanomezam-pahasoavana nomen’ny mpahary azy, hoy ny reniny, Andrianarivelo Toky Harilanto. Manao hosodoko i ny zokiny dia efa manaraka ny diany koa izao ny zandriny, hoy izy. Mamiratra koa sady manoratra. Manodidina ny 200.000 sy 500.000 Ariary eo izao no vidin’ny zava-kanto na haingo, izany hoe «parure» ahitana «collier» na rojo sy «bracelet» ary kavina, amidin-drizareo. Misy ho an’ny rehetra koa 50.000 Ariary, hoy hatrany ity renim-pianakaviana ity. Tiako ny mamorona sy manampy ny hafa, hoy i Mamiratra. Efa tia manao asa soa hatramin’ny ela izy mirahavavy, hoy indray ny reniny, ka ny vola azon’izy ireo dia hanampiany fikambanana sy ireo sahirana manodidina ety Antehiroka sy Talatamaty. Mpizahantany hatreto no tena mpanjifa. Raha misy mpanjifa miisa 10 izao dia vahiny daholo ny 9 fa iray ihany no avy eto an-toerana. Ny fianarana moa tsy maintsy atao fa ny sabotsy hariva sy alahady hariva kosa dia io no mba fialambolin’izy roa vavy, hoy hatrany ny reniny.
J. Mirija
Légende : Izy mirahavavy sy ireo zava-kantony eo ambany fiahian’ny reniny
 

Dans la même rubrique