airtel

Mahafinaritra

16-mai-2022

Mahafinaritra

Toky sy Rosamine Nifanaiky hoe “eny”

Sample post image

Tontosa ny sabotsy 14 may 2022 teo ny fanamasinana ny fanambadian’i Rafalimanana Tokinirina na Toky Rafalimanana, namana mpanao gazety miandraikitra ny politika eto amin’ny gazety Tia tanindrazana, sy Rafanjanirina Todisoa Rosamine, vadiny.

16-mai-2022

Araka izany dia nifanaiky hoe “eny” teo anatrehan’Andriamanitra sy ny fiangonana ary ireo vavolombelona nanatrika izany tetsy amin’ny Chapelle militaire Ampahibe i Toky sy Rosamine fa hivady mandra-maty. Ny teny nalaina tao amin’ny Baiboly, Hosea 2:21a manao hoe “Ary hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao.” moa no nofidian’izy mivady ho teny filamatra hanorenany ny tokantranony. Mirary azy roa hahavanona tokantrano soa arahin-jazalahy sy zazavavy araka izany ny eto amin’ny gazety Tia tanindrazana sy ny ekipan’ny vondron’orinasa Vidy varotra iray manontolo.
Legende : Toky sy Rose avy nifanaiky hoe “eny” ny sabotsy teo
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique