airtel

Politique

26-janv-2021

Politique

12 taona ny « Lundi Noir » Nitondra nankaiza marina ny hetsika 2009 ?

Sample post image

Feno 12 taona katroka amin’ity anio ity ny 26 janoary 2009, andro iray

26-janv-2021

 

 

nanamarika ny tantaram-pirenena Malagasy, kihon-dàlana nitondra ny firenena nankany amin’ny haizina, raha jerena amin’ny vokatra nentiny. Io ilay “lundi noir” na alatsinainy mainty, nisian’ny fandorana sy ny fandrobana, ka naha mainty tanteraka ny lanitra teto Iarivo. Io no isan’ny ivon’ny fanonganam-panjakana tamin’izany, ary isan’ny famotehan-javatra be indrindra teto amin’ny firenena tao anatin’ny 60 taona noho ny tsy fitovian-kevitra ara-politika. Orinasa maro no kila forehitra, ka ny an’ny Vondrona Tiko misy orinasa 11, dia 1461 miliara Ar mahery no totaliny, raha ny fangatahana fampiharana ny tondrozotra nataon’izy ireo ny 30 septambra 2020 teny amin’ny CFM. Ny Filoha Ankehitriny Andry Rajoelina no nitarika ny hetsika tamin’izany fotoana izany, niainga tany amin’ny fitakiana fialana minisitra mpikamban’ny governemanta, niafara tamin’ny fitakiana ny hialan’ny filoha am-perin’asa Marc Ravalomanana. Somary naharatsy endrika ny Filohan’ny tetezamita ny raharaha 26 janoary ka nihalefy ny hetsiky ny 13 mey, kinanjo raikitra indray ny raharaha 7 febroary nampivaivay indray ny fanonganana, ka tany amin’ny 17 martsa 2009 dia namindra ny fahefana tany amin’ny “Directoire militaire” ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, saingy voaambana basy sy nohorohoroina tetsy amin’ny Episcopat Antanimena ireo manamboninahitra sy mpitondra fivavahana. Nafindra tamin’Atoa Rajoelina ny fahefana rehefa nidingin-drambo ny miaramilan’ny Capsat nanampy azy.

NIHEMOTRA

 12 taona aty aoriana, nitondra nankaiza ny revolisionina volomboasary ? Fandrosoana sa fihemorana ?Efa mazava be fa nihemotra satria :  70% tany ho any ny tahan’ny fahantrana mialoha kelin’ny taona 2009, ankehitriny izy efa manafosafo ny 90%. Firenena maodely teo amin’ny fampandrosoana taty afrika i Madagasikara tamin’izany fotoana ary 7,3% ny fitomboan’ny harinkarena, ankehitriny faharoa mahantra indrindra maneran-tany. Ny 5 janoary teo: "Raha tiantsika handroso ny firenena dia zava-dehibe ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika satria mampiorina ary mitondra mankany amin’ny fampandrosoana andrandrain’ny vahoaka… Vao tsy tratra izany ao anatin’ny fifidianana 4 mifanesy ho avy, dia sarotra ho antsika ny hanatratra ny fiakaran’ny harin-karena sy hampivoaka an’i Madagasikara ho sangany aty Afrika", hoy i Andry Rajoelina nanome lesona. Efa niova sy tonga saina ve izany ny Filohantsika ?

Toky R

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap