airtel

Politique

06-juil-2022

Politique

2018 - 2022 Mibaribary ny tsy fahaiza-mitantan’ny Mapar

Sample post image

Tsikafon’ny zava-misy ny tsy maha marin-toerana sy tsy mahay mitantana ny Fanjakana TGV – Mapar an-dRajoelina. Vao niandoha dia toa efa niorina teo ambony tsy fahamarinana. Ny fifidianana 2018 nahiana ho nisy hala-bato goavana, saingy soa fa nisy ny CAN 2019 nandraisan’ny Barea anjara, ka takotakona teo ny olana ara-politika.

06-juil-2022

Saika nandrefotra fipoahana ny ampamoakan’ny Filoha lefitry ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana Atoa Thierry Rakotonarivo ny febroary 2020, saingy nipoitra indray ny covid-19. Sesilany indray ny karazana “scandales” samihafa momba ny fitantanana ny firenena, fitantanam-bola tsy mazava, fanodinkodinana volam-panjakana niseho tamin’ny endrika marolafy (raharaha bonbons sucettes, écrans plats, ampamoakan’i Ravo Nambinina,…), ary mbola nampian’ny tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty fa betsaka ny raharaha tsy mazava momba ny fitantanana ny 444 tapitrisa dolara (1818 miliara Ar) avy amin’ny mpamatsy vola niatrehana ny covid-19. Taorian’ny fialana bala lava amin’ny covid-19, tonga ihany koa ny ady tany Ukraine, izay miantraika aty. Ny Fanjakana Rajoelina tetsy andaniny tsy nahay nitsinjo lavitra, efa zatra mitady izay hanilihana ny tsy fahaizana. Tsy mahay mijery ny tena laharam-pahamehana. Tsy araka ny hambo tany amin’ny propagandy fa efa niomana 4 taona ary vonona amin’ny ara-bola sy mpiara-miombon’antoka fa vina sy programan’asa poakaty ny IEM (Initiave pour l’Emergence de Madagascar) no nentina. Porofon’izany ny hoe: efa tany amin’ny volana febroary 2022 vao nitady manam-pahaizana handahatra sy handritra ny laharam-pahamehana ao anatin’ny PEM (Plan pour l’Emergence de Madagascar). 2022 isika izao, krizy sosialy, krizy ara-toekarena, fidangan’ny vidim-piainana, vahoaka miha fadiranovana,… no misy eto. Tao anatin’ny 3 taona mahery nitondran-dRajoelina, nitombo 7% ny tahan’ny Malagasy mahantra fadiranovana satria 74% teo izany ny 2018-2019, ary efa maherin’ny 81% ankehitriny. Niha nahantra ny firenena, nitombo ny tsy an’asa, nitombo ny tsy ampy sakafo, ny asan-jiolahy sy ny tsy fandriampahalemana amin’ny endriny maro mirongatra, milatsaka ny fitomboan’ny harinkarena faobe, marefo ny fizahantany ary ny mpisehatra tamin’io dia namoaka sora-bola mihitsy fa nahatratra 3900 miliara Ar ny fatiantoka tao anatin’ny roa taona. Lainga raha hiteny hoe tsy nanao zavatra i Andry Rajoelina, saingy ny vokatra entiny amin’ny toekarem-pirenena sy ny sosialim-bahoaka kosa fihemorana manara-penitra. Hiditra amin’ny fifidianana 2023 kanefa izao ny vokatra, ka firy isan-jato no andrandrain-dRajoelina ho azo raha fifidianana madio? Mbola handaitra ve ny fampanantenana mirefodrefotra sy tapi-maso tsy mahavita taona?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap