airtel

Politique

05-déc-2022

Politique

45 miliara Ar ho an’ny fifidianana “Tanjona sahady ny 1er tour dia vita”

Sample post image

Azo eritreretina ho tsy firaharahian’ny fitondram-panjakana ny fifidianana heritreretintsika amin’ny taona 2023 ilay tetibola natokana ho an’ny fifidianana nodinihina niaraka tamin’ireo antoko politika maro samihafa,

05-déc-2022

CENI, mpandray anjara marobe teny amin’ny Kianja Barea farany teo, hoy ny antoko politika Fiombonana. Ny sorabola dia azo heritreretina ny tsy ahafahana manatanteraka ny fiodinana faharoa, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Durlin Retogniane. Manodidina ny 45 miliara Ariary ilay tetibola. Raha hiroso amin’ny fiodinana faharoa anefa isika dia mila 60 hatramin’ny 70 miliara any, raha hikarakara izany fifidianana filoham-pirenena izany. Fiodinana voalohany sy faharoa. Ilay 45 miliara Ariary izany dia efa mametraka tanjona sahady ataon’ny fanjakana fa tsy hisy ny fiodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena 2023 fa “1er tour dia vita”. Efa mandindona krizy aorian’ny fifidianana sahady araka izany iny sorabola 45 miliara Ariary iny. Aza adino nefa fa ankoatran’ny fiodinana faharoan’ny fifidianana filoham-pirenena dia mbola misy koa ny vola ilain’ny CENI hanomanana ny fifidianana kaominaly. Mampisalasala ihany, araka izany, ny fomba fametrahan’ny fitondram-panjakana mikasika ny laharam-pahamehana momba ny fifidianana. Tsy azontsika tsinontsiniavina koa, ankoatran’ny resaka “crédibilité” na fahazoana mankato na tsia ny valim-pifidianana, ny ahiahian’ny fianakaviambe iraisampirenena sy mpanara-maso iraisampirenena ny fifidianana. Misarika ny sain’ny tomponandraikitra midinika ity fifidianana miisa 2 be izao ity, noho izany, mba hijery izay fomba handinihana io toe-bola io ahafahantsika miatrika fifidianana am-pitoniana amin’ny taona hoavy, hoy hatrany ny antoko politika Fiombonana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap
19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap