airtel

Politique

01-avril-2022

Politique

Adilahy politikan’ny mpitondra Miha mitoka-monina i Rajoelina

Sample post image

Hafahafa ny rivotra politika mitsoaka ao anatin’izao herintaona sy tapany tsy hahatongavan’ny fifidianana izao. Toa voahilika tsikelikely ireo olona tena nandrafitra izao Fitondrana izao,

01-avril-2022

 niainga tany amin’ny raharaha 2009 naha Rajoelina an-dRajoelina, hatraty amin’ny 2018 ka haramin’izao 2022 izao. Toa nisy nahintsana tsikelikely ireo tena niara-dia tamin-dRajoelina sy tena nifofotra ara-politika. Nisy ireo mpiara-dia hatry ny ela, fa tao ihany koa ireo tato aoriandriana toa diso safidy ka nanimba azy ny fidirana tao anatin’izao Fanjakana izao. Niaraha-nahita ny savorovo goavana tao anatin’ny governemanta niafara tamin’ny fanovana farany teo. Voalaza fa olona isan’ny tena akaiky ny Filoha izay Minisitry ny fitsarana teo aloha Imbiki Herilaza izany, saingy ireny no niafarany. Olobe ao anatin’ny governemanta ihany no voalaza manao ny fanenjehana fatratra azy ankehitriny. Mety manana ny vatony ireny any Antsinanan’ny Nosy. Isan’ny atidohan’ny 2009 izany Roland Ratsiraka izany, fa nanenjika ity Fanjakana ity sy ireo manodidina ny Filoha noho ny ampihimamba ara-toekarena, mety misy fifampikitihana bizina,… Niara-nitoto sy nahandro nahamasaka ny 2009 sy ny 2013 ary ny 2018 nakana fahefana ry Hajo Andrianainarivelo sy ny Antokony, saingy io hongotana hatramin’ny fakany ao anaty Fitondrana io. Fanapahan-kevitra goavana ara-politika ary mitaky fahasahiana izany fanesorana ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidian’ny Repoblika izany, saingy iny nahilika nandritra ny Filankevitry ny minisitra farany teo iny Atoa Valery Ramonjavelo nandritra satria avy amin’ny Antoko MMM (Malagasy Miara-Miainga) an’Atoa Hajo Andrianainarivelo. Nihena am-pitoerana ireo tena mpanao politika tao anatin’ny governemanta, ary ireo tavela toa somary maivamaivana ny tanjany. Nosokajiana ho sarotra ny hanilika an’izany Tianarivelo Razafimahefa minisitry ny atitany teo aloha isan’ny angady nananana ny fifidianana nahalany an-dRajoelina izany, saingy voaahaisotra ihany. Ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy sisa olona voalaza fa mpiara-dia ara-politika tamin’ny filoha hatrizay tavela. Mety misy hafa ao, saingy tsy dia hita taratra ny tanjaka ara-politikany. Fahatsapana fahalemena ara-politika no niantsoana sy nampidirana ireo lehiben’Antoko vitsivitsy ao anatin’ny governemanta, saingy ny eo izay voasokajy ho isan’ny nanana tanjaka politika faharoa tao anatin’ny Fanjakana Rajoelina aza nisintaka.

TENA AFAKA HAMPANDRESY VE ?
Toa olona tonga tato aoriana, tsy manana tanjaka ara-politika, tsy afaka hiaro an-dRajoelina no ao anaty fitondrana, ary raha ny hita taratra aza dia tahaka ny misy politika avo lenta hampitokanana monina ny Filoha ankehitriny. Ara- politika, betsaka no hinono fotsiny ao anaty Fanjakana no tanjony, ary ho mora aminy ny hiala ny sambo rehefa mitady ho rendrika. Ny ady an-trano anatin’ny Fitondrana ihany koa etsy andaniny mandemy hatrany ny Filoha sy ny ekipa, tahaka ireny depiote sy governora mifampitandroka, depiote sy minisitra,,… Nisy aza moa ny Filoha mihitsy no nitandro depiote. Fanavaozana ara-politika ve ny fifanilihana sa kajy politika avo lenta? Ny sary miseho dia toa mametraka ho lojika ny mety ho faharesen-dRajoelina amin’ny 2023.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap