airtel

Politique

02-mars-2022

Politique

Adin’i Russie sy Ukraine Misabaka ny Malagasy, inona no mety ho vokany?

Sample post image

Fanehoan-kevitra feno fahamailoana, tsy te ho ratsy eo anatrehan’ny andaniny sy ny ankilany no nataon’ny Fanjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny Praiminisitra Ntsay Chrisian omaly 01 martsa 2022,

02-mars-2022

 mikasika ny ady ifanaovan’i Russie sy Ukraine, misy akony manerana izao tontolo izao. “Nisafidy hiara-hiasa amin’ny firenena rehetra, tsisy intsony ny firenena hiandany atsy na ny aroa. Sahirana izao tontolo izao amin’ny ady amin’ny adin’ny Rosianina sy Ukraine. Isika eto Madagasikara dia manana politikka mifandray amin’ny rehetra na amin’ny Tandrefana izany na amin’ny firenena Rosianina. Mbola mivoatra ny raharaha amin’izao fotoana izao, ka manara-maso izany isika”, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian. Ny ampitson’ny fangatahana sy antso avo nataon’ireo Diplaomaty avy amin’ny Vondron’ny Firenena Tandrefana sy Etazonia ary ireo mpiara-dia aminy io. Antso izay tsiahivina, fa nanainga na koa nanery ankolaka an’i Madagasikara hanameloka ny fanafihana ataon’ny Rosianina any Ukraine. Amin’ny toerana misy antsika, heverina ho fanapahan-kevitra tsara io sy am-pahamailoana io. Mety hanahirana ihany koa anefa ny fijerin’ny Tandrefana sy ny mpiara-dia aminy teo anatrehan’ny antso miendrika tsindry sy fanerena nataony. Ahiana hisy akony any amin’ny resaka famatsiam-bola avy amin’ny Tandrefana ny tsy nanarahana ny baikony mba hanamelka an’i Russie. Raha toa ka tsy maintsy misafidy ny iray, manoloana ny zava-misy ara-politika sy jeopolitika dia ny miaraka amin’ny Tandrefana no mety tsy misy “risque” na ahiahy kokoa ho antsika. Sanatria hoe: manohana na miandany amin’ny tandrefana, fa hatreto mbola miorim-paka kokoa eto Madagasikara ireo mpanjanaka hatrizay na « Empire Coloniale » sy ny ekipany. Raha manam-pahasahiana hanapaka ny tadim-poitra aminy dia tena zava-dehibe. Sarotra anefa io, raha amin’izao zava-misy sy vaninandro iainan’ny firenena izao. Mbola fanambarana am-bava iny nataon’ny Fanjakana io, fa andrasana raha hisy an-taratasy. Mbola mety hisy ihany koa ny latsa-bato any amin’ny Firenena Mikambana hanamarina na handiso ny voalaza am-bava.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap