airtel

Politique

24-août-2022

Politique

Ady any Ukraine Tsy miova ny fanapahan-kevitr’i Madagasikara

Sample post image

Na dia mafy aza ny tery nataondry zareo Amerikana mikasika ny tokony handraisan’i Madagasikara fanapahan-kevitra ny amin’ireo firenen-dehibe tohanany manolana ny ady any Ukraine

24-août-2022

dia fantatra fa tsy miova ny fanapahan-keviny. Nivoitra izany nandritra ny tafa fohy nataon’ny Ministry ny raharaham-bahiny Randriamandranto Richard tamin’ny mpanao gazety omaly. Nambarany nandritra izany fa tsy miova ny fanapahan-kevitr’i Madagasikara dia ilay tsy miandany amin’ny atsy na ny aroa. Izay miaraka amin’i Madagasikara sy tia azy hoy ity minisitra ity dia tiany. Ny tombontsoam-pirenena ihany koa mantsy no tsy maintsy tsinjovina hoy hatrany izy raha toraka izany ihany koa ny fiandrianam-pirenena. Notsipihiny mazava ary fa firenena tsy manana fahavalo Madagasikara, indrindra fa ho an’ireo vonona ny hifanohana sy hifanampy aminy. Mety misy hoy hatrany ity Minisitra ity ireo firenena roa samihafa mpifankahala saingy na an-daniny na ny an-kilany rehefa mety sy tsara ny fifandraisany amin’i Madagasikara dia samy namany avokoa. Notsindriany manokana ihany koa fa tsy fahavalontsika ny firenena Frantsay na dia misy olana eo amin’ny resaka Nosy manodidina aza isika sy izy ireo. Efa mandeha ny fifanarahana hoy hatrany izy koa inoana fa hitondra filaminana ho antsika izany.
MASOIVOHO
Ao anatin’ny fandinihana ny masoivoho halefa any ivelany kosa ny Fanjakana raha ny nambarany, izay endrika maneho fa mitaredretra amin’ny diplaomasia raha telo taona mahery aty aorian’ny Fitsanganan’ilay Fanjakana mbola any amin’izany ihany. Aminy, tsara kokoa ny fijerena ireo firenena matanjaka ao anatin’ny Kaontinanta Afrikanina afaka mifanampy amintsika. Mikasika ny raharaha volamena any Afrika Atsimo, nolazain’ity minisitra ity fa misy finiavana tsy voaresaka tany aloha kanefa miseho hatrany hatrany. Misy dosie vaovao entin’ny mpisolovava azy telolahy voatazona any Afrika atsimo. Amin’ny fitsarana, lasa misy fifampidnihana manokana. Lasa misy fifandaminana ara-politika, fa tsy maintsy mijery ny lalàna any an-toerana ihany koa.

VALIZIN’NY FILOHA
Momba ilay raharaha fakana sary ny valizin’ny Filoham-pirenena kosa, ankoatra ilay mpamily ao amin’ny UNESCO, misy olona iray hafa ihany koa anaovana fanadihadiana, raha ny voalazan’io Minisitry ny raharaham-bahiny io. “Fomba tsy dia fanao loatra ireny, tsy hitako izay tombotsoa, raharahan-tokantranontsika ka aoka isika samy isika no hanao fanadiovana ny tokontanintsika. Diso hevitra ny olona nanao ireny, ary efa nisy fanazavana hoe: entana maromaro fa tsy iray ihany. Mety manetsika ny sain’ny olona sasany angamba mba ho amin’ny tombotsoany manokana. Misy fanozongozonana ny tsiambaratelo mikasika ny fiainan’ny filoha ka tsy azo ekena”, hoy io Minisitra io. Ny tenako, hoy izy, no nanasonia ny fampodiana azy, ka tsy maintsy hatao eto ny fanadihadiana, ary hisy ny sazy henjana.

Toky R sy Pati
Legende : Randriamandranto Richard, Minisitry ny raharaham-bahiny nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap