airtel

Politique

29-nov-2022

Politique

Afakandro Christian Nahazo 6 volana sazy mihantona, onitra 6 hetsy Ar

Sample post image

6 volana sazy mihantona miampy onitra 6 hetsy Ar! Io no didin’ny fitsarana tao Mahajanga omaly mikasika ny raharaha fanagadrana an’i Afakandro Christian izay naiditra am-ponja vonjimaika nanomboka ny 27 septambra.

29-nov-2022

Notorian’i Moustapha, Lehiben’ny zanak’i Mahajanga ho nanao fanalam-baraka azy sy nanao kaonty fake tamin’ny facebook nentina nanalana baraka moa i Afakandro Christian mpanao politika sady mpanao asa soa ao Mahajanga sady Filohan’ny Fikambanana HRT (Hanjary Raha ’Ty). Tsy nahafaly ny mpiara-dia aminy izany, ka nisy fotoana nilanja sora-baventy teny amin’ny fitsarana izy ireo. Roa volana taty aoriana, io nivoaka io ny didy fa dia sazy mihantona sy onitra no azony. Maro moa no naneho fa ny fahasahiana miteny manoloana ireo raharaha mafana mandalo eto amin’ny firenena fa indrindra ao amin’ny faritanin’i Mahajanga no isan’ny nanagadrana sy namaizana ary nanamelohana azy. Nisaotra ireo rehetra niray fo sy nankahery teo anatrehan’ny zava-nanjo azy moa I Afakandro Christian omaly, izay naneho fa fandresena ho azy ireo miaraka no azo. “Enga anie tsy hiverina intsony ny tahaka izao, ary enga anie mba sady voalohany no farany izao “complot” tahaka izao satria filaminana no tadiavintsika. Marina fa zarazarain’ny fijery saingy iray amin’ny maha samy Malagasy sy firenena iray, ka tokony hiray hina sy hifankatia ao anatin’ny tsy fitovian-kevitra”, hoy izy. Naneho tamin’ireo mpomba azy, fa mbola lavitra ny làlana hodiavina ka tsy tokony ho kivy sy hiraviravy tànana. Tamin-kafaliana moa no nandraisan’ireo mpomba an’i Afakandro Christian ny fivoahany, ka raikitra ny tanjozotran’ny fiara nampaneno anjomara omaly takariva tao Mahajanga.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap