airtel

Politique

20-sept-2022

Politique

AFERA MALOTO GOAVANA Voatonona matetika ny olon’ny govenemanta

Sample post image

Minisitra ny Mponina Princia Soafilira sy depiote IRD Naharimamy Irma, mpikambana ao anaty kabinetran’ny minisiteran’ny mponina, mpikatroka ao anatin’ny Antoko TGV,…

20-sept-2022

no notondroin’ny gazety an-tsoratra iray ho tompon’antoka amin’ny raharaha solika hosoka sarona tao Toamasina. Taorian’ny fiakaran’ny vidin-tsolika ny volana jolay no maro ny fitarainana momba ny kalitaon’ny solika, ary io misy tratra io ny toerana fanapohana solika amin’ny akora hafa. Tsy nisy fandisoana ofisialy avy amin’ilay minisitra na avy amin’ny governemanta eo anatrehan’ny olony voatonontonona, fa ny Tale Kabinetran’ny Minisiteran’ny Mponina no nanangam-bovona nilaza fa manome fe-potoana 72ora hamoahan’ilay gazety porofo. " Izaho Yan Wilfried Ramananirina, Talen'ny Kabinetran'ny Ministeran'ny Mponina dia manome 72 ora ho an'ny tompon'andraikitry ny La Gazette hampiseho eto amin'ity Gazety ity ny porofo nahafahany namoaka izao lahatsoratra izao." Raha ny lojikan’ny toe-javatra tahaka itony, fitoriana noho ny famoahana vaovao diso sy fanalam-baraka no ataon’ny voatonontonona raha toa ka tsy mitombina tokoa ilay ilay vaovao, saingy tsy mbola naharenesana an’izay, ary fandrahonana aza no setriny. Tsy vao izao no nisy afera maloto, fa efa nisy ilay 64 000 L nanjavona, izay nifanilihan’ny Jirama sy ny orinasa nitatitra solika, izay voalaza fa an’ny vadina depiote iray ao anatin’ny IRD. Voalaza fa henjana ny famonoana afo tamin’io raharaha io, ka nahatonga ireo olona voarohirohy ho nivoaka, ary tsy nisy tohiny intsony ny raharaha mandrak’ity ny androany. Tombanana avy hatrany fa mifanohy ireo, misafelika any amin’ny fampitomboina hadiry, soloina hosoka ny ampahany amin’ny solika, mba tsy ho sarona tahaka ilay 64 000 litatra nanjavona ireny. Avy eo solika mitapoka no miditra amin’ny milin’ny Jirama eny amin'ny “Centrale thérmique” dia tsy mahagaga raha migebona sesilany.
TSY ZAVA-BAOVAO NY MAHENO OLON’NY GOVERNEMANTA
Tsy vao izao no nisy olon’ny governemanta voatonona tamin’ny raharaha afera maloto, tahaka ny nilazan’ny famoaham-baovao fa ny Minisitry ny rano Fidiniavo Ravokatra izay efa minisitry ny harena an-kibon’ny tany no tompon’ny volamena 17kg tratra teny Ivato ny 25 aogostra lasa teo. Tsy sahy nikitikitika ilay orinasan-gazety anefa ny Minisitra izay toa misintona ny saina aman’eritreritra hisaina fa tena mitombina ireny. Nilaza fa vonona hiatrika fanadihadiana ka inona no antenaina amin’ilay hoe: “juge et partie”? Nivoaka indray aza ny vaovao an-gazety fa 33 kg no tena tratra, fa io 17 kg io ihany no nanaovana fanambarana. Toa mamatotra ny mpitondra ny zava-drehetra, ary toa manaporofo izany ny zava-misy hoe: volamena 36 kg any anaty Minisitera aza manjavona. Io ihany koa ny raharaha aferan-tsolika ka hanao ahoana ary
? Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Nidina ifotony nanaramaso ny lisipifidianana teny amin’ny fokontany Andafiavaratra

Card image cap
27-mars-2024

Mbola tena marefo ny fiainan’ny antoko politika eto Madagasikara hoy Ramatoa Mireille Andriambolanoro,

Card image cap
27-mars-2024

Tsy mametram-panontaniana ve isika, hoy i Raobelina Andry avy ao amin’ny kolekitifa an’ny Malagasy hoe :

Card image cap
27-mars-2024

Sarotra ny hananana fanantenana fa hiova hahomby izao fitondrana misy izao.

Card image cap
27-mars-2024

Vaovao politika nalaza tao anatin’ny 48ora farany ny fanambarana politika

Card image cap
27-mars-2024

Nisy ny tafa tamin’ny mpanao gazety nataona parlemantera vitsivitsy,

Card image cap