airtel

Politique

21-janv-2026

Afera Sahondrarimalala Marie Michelle

Manangam-bovona ny depiote Milavonjy !

Sample post image

Raha efa saika tsy hita tabilao ny

21-janv-2026

ankamaroan’ireo olon’ny volomboasary eo anatrehan’ireo raharaha mahasaringotra ireo olony, dia tsy sasatry ny miteny kosa ny depiote Milavonjy Philobert Filoha lefitra faha-7 eo anivon’ny Antenimierampirenena, mikasika ny fitanana am-ponja ny depiote Marie Michelle Sahondrarimalala. Hizingizininy fa tsy manaraka ny lalàna sy ny fahamarinana ny fiampangana atao ary mety hitarika korontana raha atao fomba fiasa. Mandrahona ankolaka ve ny tenany ? « Raha ny zavatra misy sy mitranga ary miseho amin’izao fotoana izao dia anisan’ny tena mampatahotra ny fanaovana politika eto Madagasikara, raha mijery ny zavatra miseho toy ny mahazo ny depiote Marie Michelle Sahondrarimalala. Anisan’ny mampiheritreritra raha ohatr’izao ny fomba handraisana sy hiampangana ny olona manana andraikitra eto amin’ny Firenena », hoy i Milavonjy Philobert. Nambarany fa misy zavatra maro tokony harahina amin’ny fanarahan-dalàna kanefa tsy tsikariray, hoy, ary matetika rehefa milaza izahay dia tenenina fa izay nataonareo taloha no atao anareo. Milaza ity farany fa tokony hofotorina sy havahana tsara ny fomba fanenjehana, ary raha misy zavatra tena marim-pototra fa nisy fanodinkidinam-bola tamin’ny fitantanana natao na fiampangana, dia tokony hapanarahana ny lalàna manan-kery ny fomba fanenjehana. Marihina anefa fa voarohirohy ho mikotrika fanakorontanana eto amin’ny Firenena i Sahondrarimalala Marie Michelle sy ireo olona 12 hafa. Misy resaka vola amina miliara ahiana hoentina manakorontana na manongam-panjakana. Raha mivoy tsy fanarahan-dalàna i Milavonjy Philobert, dia nilaza mazava ny Fitsarana ny takarivan’ny alatsinainy teo, fa araka ny andininy faha-512 amin’ny fehezan-dalàna mikasika ny paikady heloka amin’ny maha mpitsara « 1ere grade » azy, dia efa namoaka ny « autorisation de poursuite » na fahazoana manenjika azy ny Minisitry ny Fitsarana, ary efa nesorin’ny birao maharitry ny antenimierampirenena ihany koa ny zo tsy azo henjehina na « immunité parlementaire », araka ny andininy faha-73 amin’ny lalàmpanorenana. Ezahan’ity depiote ity voizina mafy ny hoe : raha ny zavatra hita amin’izao dia anisan’ny mampatahotra sy mampanahy ny fipetraky ny raharaham-pirenena sy ny fanaovana politika eto Madagasikara,…. « Mampanahy sy mampatahotra ny fandraisana andraikitra amin’ny sehatra politika, ary lasa maodely hiverimberina ny fanenjehana tsy marim-pototra, dia ataoko fa tsy hitondra voka-tsoa amin’ny mpiray tanindrazana satria mety hisy ny lonilony ara-politika na ara-pihaviana izay mety hiteraka karazana tsy filaminana eny anivon’ny fiarahamonina », hoy hatrany izy. Niantso ny tompon’andraikitra rehetra hijery am-pahamaharinana, handray andraikitra am-pitoniana fa tsy amin’ny fankahalana, fa mety hiteraka tsy filaminana.
RIRININ-DASA TSY TSAROANA…
Tsy fankasitrahana na fandrisihana ny hisian’ny valifaty politika, fa moa mba afaka mitodika kely amin’ny tantara teo aloha ve ity depiote ity ? Firifiry ireo nogadraina tsy ara-drariny sy novesarana ny hoe : « Atteinte à la sureté interieur de l’Etat » ? Tena nisy Fanjakana tan-dalàna ve teto fony izy ireo mbola tsy mpanohitra ? Firifiry ireo afera maloto niniana tsy nojerena nanehoan’ny Fanjakana Rajoelina ny maha tsy maty manota azy ! Hatramin’ny Tale kabinetrana filoham-pirenena voasambotry ny Firenena vahiny amina kolikoly goavana fa vitavita ho azy. Ny olon’ny governemanta betsaka no voarohirohy tamin’ny afera goavana toy ny tamin’ny raharaha covid-19, ny SMMC Toamasina, ny volamena tao amin’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany nivadika vy,… Rehefa mifoha ny tahaka ireny dia lazaina fa valifaty politika ? Tsara toerana hanome lesona ve ny Volomboasary ankehitriny raha ny nataony teo aloha : ny fanaovana akanjo mena aza nanagadrana olona 3 volana, fiarovana ny tanim-bahoaka nanagadrana an’Itompokovavy Ninie Doniah izay tsy namelana raha tsy tapitra ny ainy na dia efa nisy mpanakanto nandohalika sy nitalaho tamin’ny Fanjakana aza, ry Stan’Ley Ramarivelo nosamborina sy nogadraina an-taonany maro tsy nisy fitsarana rehefa nosoketaina ho nikirakira kaonty facebook maniratsira fitondrana, ry Be-Rija Ravelomanantsoa sy ry Rolly Mercia nalentika tany am-ponja tamin’ny vesatra tsy marim-pototra,… Hatramin’ny fivoriana politika aza tsy azo natao na ankalamanjana na anaty efitrano,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

miaraka amin’ny Rosianina…

Card image cap