airtel

Politique

04-déc-2020

Politique

Alain Ratsimbazafy “Ahiana ny hoavin’ny fiangonana”

Sample post image

Misy ny fanelezana tsaho ankehitriny fa misy mpifidy vaventy mpikamban’ny

04-déc-2020



antoko politika Tiako I Madagasikara no manohana ny fitondram-panjakana amin’ny fifidianana ny 11 desambra izao, hoy ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy teny Atsimondrano, Alain Ratsimbazafy. Maro ny famiravirana ara-bola momba izany. Hitanay ny fampiantsoana ataon’ny antoko politika samihafa ireo mpifidy vaventy ireo. Ambaranay fa tsy ho voarebirebin’izany ny TIM. Manana etika politika ny mpikambana ao ary hitazona ny teny nomeny amin’ny andron’ny fifidianana. Izay no toromarika avy amin’ny filoha nasionalin’ny antoko dia ny hoe tsy mandray anjara amin’io ny mpikatroka TIM. Raha malemy ny mpanohitra dia tsy nivoaka ireny mpitandro filaminana marobe ireny. Nambaranay foana fa vitsy an’isa izahay saingy maro ny vahoaka manaraka ny foto-kevitray. Mila mamantatra ny misy eny ifotony raha maniry hitantana firenena ary ny fitsidiham-paritra dia ahafahana mandray ny sosokevitra sy tarainam-bahoaka ahafahana mamadika azy ho tetikasa rahampitso. Manameloka tanteraka ny fihetsika nasehon’ny mpitandro filaminana tamin’ny filohan’ny antoko TIM izahay satria manana zo feno hivezivezy ny olom-pirenena ary manana fahalalahana handeha amina fotoam-pivavahana. Ny fidiran’ny mpitandro filaminana anatin’ireny faritry ny fiangonana ireny dia sanatria toy ny maneho fa anaty tany miady isika. Miantso ny mpitondra fiangonana haneho hevitra aho, hoy izy, satria mampanahy ny hoavin’ny fiangonana eto Madagasikara, raha ireny no mitranga, hoy hatrany ity depiote ity.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap