airtel

Politique

16-août-2022

Politique

Amboara nomena ny Filoha Rahavavina minisitra no isan’ny nanombana…

Sample post image

Miitatra sy miha mazava hatrany ny resaka mikasika ny amboara momba ny fampiroboroboana ny indostria nomena ny filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina, tany Vienne, Aotrisy, farany teo.

16-août-2022

Tsiahivina fa niteraka resabe sy fahagagana ho an’ny maro ny fihazoany ity amboara ity. Nampametraka fanontaniana maro toy ny hoe inona avy izany indostria miisa 107 tafatsangana izany? Firy no isan’ny mpiasa ao anatin’izany? Firy ny asa voaforony? Manao ahoana ny fampitaovana sy ny maro hafa? Fantatra ny sabotsy teo indray fa malagasy ihany no isany nanao ny tombana nijerena raha mendrika tokoa ny filoham-pirenena malagasy na tsia ity amboara ity. Tsy iza io fa ny solontenan’ny firenena mikambana misahana ny resaka indostria na ONUDI, Volatiana Rakotondrazafy, izay fianakavian’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina no sady mpitondra tenin’ny governemanta, Lalatiana Rakotondrazafy. Araka ny fampahafantarana voaray dia efa 10 taona niasana amin’ny maha tomponandraikitry ny famokarana tamina orinasa mpamokatra ronono iray ny tenany. Taorian’izay dia efa mpanara-maso mahaleontena ireo tetikasam-pivoarana mikasika ny indostria izay miompana amin’ny sakafo sy zava-pisotro tao Kaomoro, Tchad, Madagasikara koa ny tenany. Manana maripahaizana ambony momba ny haisakafo teo anivon’ny oniversiten’Antananarivo izy. Manana sertifika mifanaraka amin’ny fianarana momba ny fampandrosoana teo anivon’ny Madagascar development learning center sy ny Earth Institute tany amin’ny oniversiten’I Columbia, Etazonia.
J. Mirija
Legende: Volatiana Rakotondrazafy
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap