tamin’ny taona 2009 na dia neverina fa iny fifidianana filoham-pirenena 2023 iny aza no tokony namarana izany. Tsaroan’ny mpanara-baovao indray amin’izao fotoana izao ilay filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, niantsoantso vonjy tamin’ny SADC na ny «Southern African Development Community», izay sampan-draharaha iraisampirenena ho fampandrosoana ny tapany atsimon’i Afrika moa izany. Niantso ity vondrona iraisampirenena ity izy tamin’izany mba hanetsika ny tafiky ny SADC raha sanatria ka ilaina izany. Tetsy ankilany moa dia nilaza ny filohan’ny tetezamita tamin’ny fotoan’androny, Andry Rajoelina, fa tsy ilaina izany tafika izany ary tokony ho foanana mihitsy. Handray ny toerana maha filohan’ity vondrona iraisampirenena ity ankehitriny ny filohan’ny tetezamita tamin’ny fotoan’androny, izay efa lasa filohan’ny repoblikan’i Madagasikara, Andry Nirina Rajoelina. Andrasana hanafoana ny tafiky ny SADC izany izy, raha ny lojikan’ny tsiahy navelan’ny tantaran’ity firenena ity hatrany no tsiahivina. J. Mirija
Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.
Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny
Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana
Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny
An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,
Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo