airtel

Politique

08-mars-2021

Politique

Andry Rajoelina « Ankinina amin’Andriamanitra ny zava-drehetra »

Sample post image

“Antsam-piderana nahatsapako manokana ny firaisampo nananan'ireo nanatrika izany omaly no zaraiko aminao androany.

08-mars-2021

 

 Hitako ho nisoritra tamin'ny endrika sy ny fihetseha-mpo nasehon'izy ireo ilay fitiavan-tanindrazana sy ny fanankinana ny firenena amin'Andriamanitra. Ankinintsika amin'Andriamanitra ny zavatra rehetra ka noho ny sitrapony dia ho tanteraka ny fampandrosoana ary hipaka isam-baravarana ny fahadiovam-po”, hoy ny Filoha Rajoelina nandritra ny fotoam-bavaka tetsy Mahamasina ny sabotsy teo. Rehefa miantso an’Andriamanitra sy mivavaka aminy kanefa tsy manao ny sitrapony dia mivadika ozona io, ary ny vavaka mila tadidiana fa tsy tahaka ny velirano notenenina ka mety ho adino. Fa inona moa ny sitrapon'Andriamanitra? Isan’ny didy roa lehibe voalohany ny hoe: Tiavo ny tompo andriamanitrao amin’ny herinao rehetra, ny sainao rehetra, ary ny fanahinao rehetra. Faharoa Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Lasa adihevitra ny tsy nisiana fihanihanana tamin’ny baiboly ho an’ny Filoham-pirenena tamin’ny taona 2019? Izay no somary mahagaga, fa na izany aza fa tsara foana ny mivavaka, fa io tsy miovaova fa tokony efa naseho hatrany am-boalohany, ary tsy mahamenatra, fa tsy indraindray resahina ny fisarahan’ny fivavahana sy ny fitantanan-draharaham-panjakana na ny “Laicité de l’Etat”, ary fotoana io tsy misy olana. Tsy natao hitsikerana be fahatany, fa ny mampametra-panontaniana dia ny hoe: fifandrifian-javatra ihany ve ny hoe nampifanojoana tamina hetsika politikan’ny mpanohitra? Sao sanatria ny fivavahana no natao fitaovana hoenti-mampiseho fa mahazaka vahoaka? Tena ilaina ny mivavaka ho an’ny firenena, tena ilaina ny mampiseho fa mivavaka, fa zava-dehibe mila ampifanojoana amin’izany ihany koa ny fahadiovam-po sy ny fahintsiana amin’ny zavatra hatao, amin’ny fitantanana ny firenena. Hisy ve ny fanahy masina hilatsaka ka havotsotra, ohatra, ireo olona nosamborina noho ny firehan-kevitra ara-politika ka mba ho tapitra hatreo ny fanagadrana sy famotehana fiainan’olona amina zavatra tsy dia manao ahoana ? Tsy tanàna may, tsy fivarotana voaroba, tsy Fanjakana niongana,…


Toky R

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap