airtel

Politique

11-oct-2021

Politique

Andry Rajoelina Hampandroso firenena amin’ny makety…

Sample post image

Havanana amin’ny fanaovana makety na kisarisary na “maquette” amina tetikasa ambara fa hatao ny fitondrana ankehitriny.

11-oct-2021

 Ireny no entina handresen-dahatra sy hisintonana ny saim-bahoaka, ary tondroina sy lazaina ho fandrosoana. Indraindray, dia toy ny hoe: “mitokana makety” mihitsy. “Hiova tanteraka i Fianarantsoa, tsy ho tanàna maty intsony fa tanàna mandroso”, hoy ny Filoha Rajoelina tao Ambatomena ny faran’ny herinandro teo, raha naneho ny maketin’ny asa ambarany fa hatao. Toerana izay ambara fa hanorenana sy hanatanterahana ny tetikasa “pôle urbain” , hisy lalan-dehibe na "Avenue" mahafinaritra, toeram-pivarotana isan-karazany, ary kianja "coliseum". Hisy toerana fitsangatsanganana toy ny zaridaina lehibe sy ny “esplanade”. Hapetraka eo ihany koa ny biraom-panjakana isan-tsokajiny sy izay rantsa-mangaikan'ny Minisitera rehetra. Mirarakopana hatrany fampanantenana amin’ny alalan’ny makety satria akaiky ny fifidianana. Rehefa tena zohiana ireny, ny sarisary no lasa aloha mba hampanofinofisana vahoaka, fa ny hoenti-manana mbola any an-kibon’ny omby. Hita mihitsy hoe: olona niasa tamin'ny sehatry ny fampisehoana sy ny dokam-barotra ny Filoham-pirenena mialohan'ny naha ben'ny tanana sy filoham-pirenena azy. Tia mampanonofy amin’ny makety ny fitondrana, tia kisehoseho, fatratra amin’ny resaka endrika ivelany, fa jamba sy mihisatra fiasa amin’ny tena famahana ny olam-bahoaka. Makety hatrany ve no hampandrosoana firenena kanefa ny vokatra ara-toekarena sy sosialy entiny tsy hita ihany? Ny toekarena mitotongana ambony ambany ary miiba ny tarehimarika, ny olana ara-piarahamonina sy sosialy mirarakopana. Ohatra mojarihary ny fitakiana amin’ny endriny maro : mpitsabo, mpandraharahan’ny anjerimanontolo, mpampianatra, mpiasan’ny orinasam-panjakana… izay mila grevy vao mahazo valin-kasasarana. Ny fandriampahalemana tena miakatra an-dRenivohitra ny dahalo, ny any ambanivohitra tsy mandry andro aman’alina. Ny fifehezana vidim-piainana petatoko, miha mahantra ny vahoaka, mihena ny fahefa-mividy.
NY AVO IHANY NO TOVANANA
Akoatra izay, tsapa fa ny avo ihany no tovanana, raha tarafina amin’ireo fotodrafitrasa tokanana. Saika amina tanàn-dehibe, renivohi-paritany, renivohitry ny faritra na distrika izay efa betsaka ny safidy ara-panabeazana ohatra no nasiana sekoly manara-penitra kanefa manana kaominina 1695 isika eto Madagasikara, izay any ambanivohitra ny ankamaroany ary betsaka ny sekoly tsizarizary fa tsy dia hitan’ny mpitondra. Ohatra iray iny, fa na ireo ambara fa velirano samihafa aza, toy ny “téléphérique”, ny “tramway”, ny “Tanàmasoandro”,… izay hanatontonana volabe tsy toko tsy forohana dia saika mifantoka amina tanàn-dehibe avokoa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap