airtel

Politique

07-avril-2022

Politique

Andry Rajoelina Hanara-dia an-dRavalomanana…

Sample post image

Mihena am-pitoerana tahaka ny fen’antitra ny herijika politikan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina. Ambany ny vintana mbola hahalany azy fanindroany amin’ny 2023, raha ny lojika ara-politika,

07-avril-2022

saingy azo antoka kosa anefa ny ho fahalaniany, raha tsy tafapetraka ny fitsipi-dalao mazava momba ny fifidianana. Azy ny ankamaroan’ny mpikambana ao anatin’ny Vaomiera misahana ny fifidianana (HCC) sy ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC). Resahina ny hoe andrim-panjakana no nifidy sy nametraka an’ireny, saingy andrim-panjakana izay an’ny TGV/MAPAR ny 80 na 90% amin’izany, ary mbola ny Filoha no manendry ireo ampahany ankoatra ny fanekeny amin’ny alalan’ny didim-panjakana ny rehetra. Henjana ny fampiasana ny fahefam-panjakana sy ny volam-panjakana ho an’ny tombotsoa ara-politika, ny propagandy mialohan’ny fotoana toa efa mandeha, ny rafitra sy ny ambaratongam-pahefana mikirakira mivantana na ankolaka ny fifidianana azy avokoa,… Sarotra ny handavo azy amin’izany. Ara-toekarena, tsy azo lavina ny fisian’ireo vondron’olona tompon’ny afera, mpanao ampihimamba ny harem-pirenena, mpangoron-karena, mpifehy ny toekarena,… izay tao an-damosin-dRajoelina niainga tamin’ny 2009. Metimety kokoa amin’ireo ny mbola haha Filoha an-dRajoelina mba ahafahany manohy ny fanjakazakany, ary tsy mety amin’izy ireo ny mety hahatongavan’ny olona tia tanindrazana miaro ny fananan’ny Malagasy, miaro ny taniny, sahy mifaninana amin’ny vahiny,... Mahavita manatosaka vola tsy toko tsy forohana hampandaniana ny kandida tiany ho lany ireo.
HANARA-DIA AN-DRAVALOMANANA
Raha toa ka hahomby ny tetikady mbola hitazonana ny fahefana, ho sarotra amin-dRajoelina ny hahatazona izany hatramin’ny farany. Mety hiongana eny antenantenam-potoana tahaka ny nahazo an’i Marc Ravalomanana. Tany amin’ny taona 2007 aza, efa tafiakatra ambony indrindra taty Afrika ny fitomboan’ny harin-karen’i Madagasikara izay nahatratra 7,1%, efa fitaratry ny ONUDI (Organisation des Nations Unies pour le Dévéloppement Industriel) i Madagasikara, 1200Ar ny sandan’ny vola Ar mitaha amin’ny « euro »,… saingy mbola naongana ihany i Marc Ravalomanana rehefa notondroina ho mpanao ampihimamba, mamadika tanindrazana amin’ny fampanofana tany amin’ny vahiny, managadra olona noho ny politika,… Ankehitriny, ratsy lavitra avo 10 heny raha kely indrindra amin’ny Fanjakana Rajaonarimampianina ny volomboasary, ary tsy fampitaha amin’ny naongany. Sambany teo amin’ny tantara izany fitomboan’ny harin-karena niiba -7%, kanefa ny an’ny HVM 5,8% aza 8% ny vokatra azony tamin’ny fifidianana. Lojika ny hisian’ny latsa-bato famaizana (vote sanction) noho ny fahadisoam-panantenana raha fifidianana madio, ary efa lesona ho an’ny Malagasy ny fitotonganana nentin-dRajoelina tamin’ny tetezamita, mitohy amin’izao,… Ity Fanjakana ratsy laza indrindra tao anatin’ny 60 taona, raha resaka tsy fahaiza-mitantana, tsy fahaizana mijery ny laharam-pahamehana, kolikoly sy afera maizina misavovona,… Hatramin’ny depiote MAPAR aza efa vaky vava ! Izao aza efa mitsingilaila, mainka fa mbola hanao amboletra hikatsaka 5 taona indray!
Toky R

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap