airtel

Politique

10-janv-2022

Politique

Andry Rajoelina Handeha “hiwerawera” any Andekaleka anio

Sample post image

Hiazo an’Andekaleka ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina anio 10 janoary 2022, raha ny fampahafantarana nataon’ny Talen’ny serasera eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Soatiana Rajoelisoa tamin’ny tambajotran-tserasera.

10-janv-2022

 Voizina sy hoenti-mandoka an-dRajoelina ny zava-misy hoe: “Fanindroany vao hisy filoham-pirenena hitsidika ifotony indray ity tobim-pamokarana herinaratra ity”. “Amin’izao fiatombohan’ity taona 2022 ity izany hoe 40 taona taorian’ny nitokanan’ny Filoha Didier Ratsiraka azy tamin’ny taona 1982 dia rahampitso indray izany vao mba hisy filoham-pirenena hijery izay tena zava-misy marina ao amin ity « Centrale Hydroélectrique » an’ny JIRAMA ao Andekaleka ity dia ny Filoham-pirenena ankehitriny, hoy io serasera natao omaly io. Tsy hoe nanangana toby famokarana herinaratra vaovao any Andekaleka ny Fanjakana Rajoelina, fa ny fahasimbana nateraky ny fipoahana sy fahamaizan’ny “Tranformateur” izay niteraka olana hafa no narenina, saingy ny Filoha no tonga “hiwerawera” hidoka tena toa papelika any Andekaleka hoenti-milaza fa miasa ny Fanjakana. Angaha ny fahatongavan-dRajoelina any no hamaha ny olana? Tsara ny manamarika fa mamokatra herinaratra 90 MW izay manome 40% amin’ny famatsiana ny tambajotra Iraisan’Antananarivo. Fanamby lehibe nataon’ny fitondrana ankehitriny ny famokarana herinaratra ampy ho an’ny vahoaka Malagasy dia tena fandraisana andraikitra lehibe izao fidinana ifotony hataon’ny Filoham-pirenena ahitana maso sy amin’ny antsipiriany izay zava-misy eny an-toerana amin’izao voalohan’ny taona izao, hoy ny resaka novoizina omaly. Noventesina fa tonga dia fandraisana andraikitra fa tsy fanafanana seza sy fijerevam-potsiny, toy izay nataon’ireo mpanohitra ankehitriny izay mahita kianina isan’andro amin’izay asa sy hetsika fanarenana sy fampandrosoana hataon’ny Fitondrana , hoy Rtoa Soatiana Rajoelisoa.
ADIDY TSY ILANA “WERAWERA” NY FAMAHANA OLANA
Mifatratra any amin’ny Mpitondra teo aloha ambara ho tsy nijery ny fahanteran’ireo fotodrafitrasa ny lesoka fa ny mpitondra ankehitriny dia tena efa miasa sy mitady vahaolana tsy mitsahatra. Tsy vao izao anefa i Andry Rajoelina no nitondra, ary ny tetezamita no isan’ny tena tsy nikojakoja fotodratrasa teto. Angaha moa tsy adidin’ny fitondram-panjakana no mamaha ny olana misy no hireharehana fatratra ny hoe: manarina ny simba? Tsy ny fandehanan-dRajoelina any no mampivaha ny olana fa ny asan’ny teknisianina sy ny fitaovana apetraka any, saingy mila japiana hanaovana “werawera” ny zava-drehetra ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap