airtel

Politique

19-mars-2021

Politique

Andry Rajoelina Handroso vahaolana sa hampanantena fotsiny indray ?

Sample post image

Hitafa sy hidinika amin'ny vahoaka Malagasy ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana RNM sy TVM

19-mars-2021

 

 

 

 ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina rahampitso sabotsy 20 Martsa amin'ny 8ora alina, araka ny fampahafantarana omaly. Azo antoka fa hiresaka ireo toe-javatra manahirana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, toy ny valanaretina coronavirus. Mampahatsiahy ny tamin’ny hamehana nanaovany valan-dresaka isan’andro avy nihemotra isan-kerinandro, niresahana ny fepetra samihafa momba ny fisorahana ny valanaretina. Mandeha ihany koa ny kiana maro samihafa eo anatrehan’ny tsy fahitan’ny Fanjakana vahaolana eo anatrehan’ny olana samihafa, ka inoana fa hitanisa ireo ambara fa ezaka sy asa ataon’ny Fanjakana. Misy ihany koa ny tsindry politika samihafa, ka asa izay hambarany momba io ? « Tsy azo ferana ny hiresahany ny ezaka ataon'ny fitondram-panjakana sy ireo fikambanana maro samy hafa eo amin'ny ady atao amin'i Kere any atsimo izay efa hita fa manomboka misy masoandro miposaka sy mahabe fanantenana tokoa ankehitriny », hoy ny pejim-baovao iray mpanohana fitondrana. Tsy tongatonga ho azy ny hoe ny Filoham-pirenena no miditra an-tsehatra hanao tafa amin’ny vahoaka, izay midika fa hipasoka daomy sy hiezaka hiaro ny fitondram-panjakana. Asa na handeha indray ny fampanantenana mirarakopana, fa raha ny “Plan Marshall” nampanatenaina efa tany amin’ny 15 jona 2020 aloha, dia tsy hita izay tanteraka kanefa 1043 miliara Ar no nambara fa hanaovana izany. Tsy afaka hanadio tena sy hiala bala hoe satria nisy ny valanaretina satria tao anatin’izany mihitsy no natosaka ny fampanantenana. Nokianin’ny depiote mpanohitra io hoe: aiza sy asehoy, saingy tsy manana valin-teny mazava ny mpitondra. Ny progama PEM, dia nambara fa andro vitsy taorian’ny 19 janoary no ambara fa hampahafantarana azy, saingy efa 19 martsa isika androany. Ny “digitalisation” sy ny solosaina isam-pokontany nambara fa ho vita ao anatin’ny folo andro nolazaina tamin’ny 08 aprily 2020 dia efa hitsingerina ny taona tsy hita ihany. Tsaratsara amin’ny Filoha Rajoelina no tsy manao fampanantenana poakaty intsony ho an’ny rahampitso, ka mba zavatra mahitsy sy tsotra fa tsy kabary fampandriana adrisa efa mahatofoka olom-prenena. Vahaolana azo tsapain-tanana ary mihata avy hatrany amin’ny fiainany no andrandrain’ny olom-pirenena fa tsy fampanofinofisana na fanilihana ny rihitra any amin’ny hafa.

Toky R

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap
19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap