airtel

Politique

12-juil-2021

Politique

Andry Rajoelina Henjana ny tsindry mahazo azy

Sample post image

Tsy misy olobe afaka ny handravona sy handrindra izany, kanefa samy olon’ny fitondrana sy mpanohana ny Filoha ireo amin’ny ankapobeny. Azo heverina ho ady an-tranon’ny fitondrana.

12-juil-2021

 Miharihary ankehitriny ny elanelana eo amin’ilay mpanao politika mahatsapa ho niady sy nifofotra tamin’ny fametrahana ny Filoha ankehitriny tamin’ny toerany sy ny hoe teknisianina nantsoina homena toerana handrafitra ny governemanta. Mety ho paikady politika nentin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina hanova ny fijery ara-politika io, saingy roa taona mahery aty aoriana dia hita miharihary ny tsy fahatafavoahan’ny baolina. Na amin’ny asa na amin’ny politika, hita taratra ho tsy dia mitondra herijika firy ho an’I Andry Rajoelina ny governemanta teknisianina. Miara maloto amin’ny tsy fahombiazan’ny governemanta ireo nifofotra nametraka ny Fanjakana, ary mampitombo ny elanelana ny fihetsika sy ny fitondran-tena asehon’ny olom-boatendry sasany amin’ny olom-boafidy. Andrasana izay mety ho fiovan’ny governemanta sy ny endrika mety hisehoany. Mety hiditra amin’ny governemanta politika kokoa ve I Andry Rajoelina manomboka eto? Hanao fisokafana ihany koa ve? Henjana ny tsindry mahazo an’I Andry Rajoelina ka eo ny ato anatiny, fa mety misy ihany koa ny avy any ivelany. Raha vao miditra amin’ny fisokafana dia efa mety endrika hanehoana fa fampiodinan-draharaha sisa, toy ny niseho taorian’ny tolon’ny depiote 73 ny volana mey 2018. Endrika maneho ny efa fahalemena ara-politika sy tsy fahazakana firenena samirery intsony ihany koa, ary mety ho karazana paikady hanadiovan-tena amin’ny tsy fahombiazana ka hifampizarana amin’ny hery na antoko politika hafa. Ny azo antoka aloha, dia tsy mahatafavoaka baolina ny endrika sy rafitra isehoan’ny fitondrana ankehitriny, ary ambony dia ambony ny tsindry mahazo ny Filoha. Andrasana izay ho fivoaran’ny toe-draharaha ara-politika ato ho ato.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap