airtel

Politique

10-août-2022

Politique

Andry Rajoelina Jamba amin’ny fahoriam-bahoaka…

Sample post image

Hafahafa hatrany ny politikam-pitantanana asehon’ny Fanjakana Rajoelina. Miankina amin’ny tombotsoa politika ny laharam-pahamehana,

10-août-2022

ary indraindray toa sady mahamenatra no mampalahelo. May atsy may aroa mitily sy mijery izay seho sy hetsika azo japiana amin’ny politika, fa jamba amin’ny fahoriam-bahoaka. Ny vidim-piainana tsy voafehy, 09 volana tsy mandray karama ny mpiasan’ny SECREN, 6 volana tsy nandray karama ny mpandanja fiara, 2 taona tsy nahazo ny volany ny orinasa nanao làlana ary mitalaho sy milela-paladia, ny mpiasan’ny zotran-dalamby FCE efa 6 volana tsy nandray karama, ny tambin-karaman’ny mpitsara fanadinana aty amin’ny 2022 vao aloa ny 2021,… Hodiana adala avokoa ireny, ary raha ny an’ny SECREN, toa ny fandalovan’I Marc Ravalomanana any Antsiranana no nampikorapaka nanomezana vary iray gony avy aloha rehefa nanao antso vonjy niantso tolo-tànana ny mpiasa. Ireny anefa omaly tany Mahajanga anefa, nanolotra fiara raitra dia raitra ho an’ny Filohan’ny Fiangonana Loteranina Malagasy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, nanolotra 20 tapitrisa Ar ho an’ny FKTLM na ny Firaisan'ny Kristiana Tanora Loterana Malagasy hatao nofon-kena mitam-pihavanana amin’ny zaikabe ataony any Mahajanga,... Tsy ny fanomezan’ny Filoha zavatra tahaka an’ireny no ratsy, ary sambatra tokoa ny manome noho ny mandray. Mbola adihevitra hafa ny resaka fampiarahana ny raharaham-panjakana sy ny raharaham-piangonana izay mifanohitra amin’ilay antsoina hoe: “Laïcité de l’Etat”. Ny nanenjehana an-dRavalomanana no miverina, ary ny an’ity farany anefa nesoriny tao anaty lalàmpanorenana io “laïcité” io mba tsy hisian’ny olana tahaka izao, ny fitondrana ankehitriny no namerina azy, saingy io hitsakitsahiny io. Rehefa amin’ny tombotsoa politika mahay maka ny fon’ny fiangonana, lasa malala-tànana,… fa ny mpiasan’ny orinasam-panjakana, ireo manam-bola amin’ny Fanjakana mandadilady etsy sy eroa, tonga hatramin’ny fanaovana tolo-tànana eny amin’ny Lapan’ny tanàna arirarira. Tena izany ve ilay antsoina hoe: Fanjakana tsara tantana? Sanatria ny hitsara fahatany amin’ny fihetsika lasa malala-tànana amin’ny fiangonana fa moa tsy azo hadika ho fihatsarambelatsihy ve raha ny madinika mba mitaky ny valin-kasasarany hatrany amin’ny 10 volana tsy misy mpiraharaha?
« TENA TSY VOAHAJA NY LAÏCITE DE L’ETAT ».
“Tena ampidirana politika ny resaka finoana, tsabahana, ka isan’izany ny raharaha Jesosy Mamonjy izay nilazana mihitsy fa ny Antoko TIM no manakorontana ao, kanefa izy ireo no mitady làlana ara-politika. Nomena “franchise douanière” ny fampidirana kitapo izay tsy fantatra hoe ny fiangonana sa olon-kafa no nanafatra azy. Raharaham-piangonana manokana an’ny katolika JMJ ka nahoana no tsabahan’ny Fanjakana. Eto anefa misy Kaominina fantatro nanafatra fiara, tsy tafavoaka ao amin’ny seranantsambo satria ambony be ny hetra takiana. Io indray ny Filoham-pirenena tonga manome fiara ny Filohan’ny FLM, manome vola,… Na ambara aza fa amin’ny anaran’ny tenany filoha manokana, tsy afaka misaraka mihitsy ny hoe: Andry Rajoelina “personne physique” sy izy amin’ny maha Filoham-panjakana azy, ka miharihary ny tsy fanajana ny fitanilan’ny fitantanana fanjakana amin’ny raharaham-piangonana. Isan’ny nanenjehana ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana io, ka izao miverina izao. Ankehitriny, ny iray efa olon-tsotra ny iray Filoham-panjakana ka tsy hitovy mihitsy ireo amin’ny fanatrehana sy fandraisana andraikitra amin’ny raharaham-piangonana”, hoy ny Dr Ignace Randriamamizafy mpampianatra mpikaroka, mpamakafaka ara-politika sy ara-toekarena.
Toky R 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap