airtel

Politique

27-mai-2022

Politique

Andry Rajoelina Lasa any Dubai

Sample post image

Nikopak’elatra lasa nankany Dubaï ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ary efa any an-toerana hiatrika ny fanokafana ny « Forum Seamless 2022 sur l’économie numérique ».

27-mai-2022

Hetsika lehibe tanterahina any amin’ny Dubaï World Trade Center ny 31 may hatramin’ny 3 jona izao io. Fanao isan-taona ka ho ambohipihaonan’ireo mpisehatra vokatra vaovao sy avo lenta amin’ny tontolon’ny teknolojia, ny banky, varotra, ny tontolon’ny elekronika, ny nomerika,… Ho an’ny 2022, mahatratra 350 ny mpanao fampiratiana, mpitsidika hatrany amin’ny 10 000 no nofaritana fa ho avy amin’izany. Nambaran’ny Fiadidian’ny Repoblika moa fa vahiny manokana sy manan-kaja amin’io ny filoha Malagasy. Efa nambara tao anatin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo ny hisiana fitsidihana ofisialy hataony hihaonany amina olona ambony ao anatin’ny Emirats Arabes Unis. Hisy ihany koa ny fihaonana amin’ny mpisehatra ara-toekarena samihafa. Nilaza hiresaka lohahevitra momba ny fampandrosoana an’I Madagasikara moa I Andry Rajoelina amin’izao diany izao, araka ny fampitam-baovaony tao amin’ny tambajotra Twitter. Tsy tongatonga ho azy, fa karazana pi-maso hitadiavana fiaraha-miasa sy famatsiam-bola hatrany ny tahaka izao. Azo antoka fa hiparitaka indray ny serasera sy ny sary hoenti-maneho fa manga ny lanitra amin’ny fiaraha-miasa, atokisan’ny mpiara-miombon’antoka, mety hisy ihany koa ny hoe: nahazo famatsiam-bola,… Matetika anefa sary no betsaka fa ny vokatra mbola miandry na sanatria mety hitsefotra tahaka ilay tany Etazonia farany teo hoe: nahazo 400 tapitrisa dolara na maherin’izay. Rehefa nojerena anefa ny pitsopitsony, vola hitsinjara hatramin’ny 2028 ary ny 2022 aza tsy misy fa mbola 00 dolara. Mandeha ny pi-maso amin’ny arabo satria toa mihisatrisatra ny fiaraha-miasa sy ny famatsiam-bolan’ny tandrefana kanefa ny fe-potoana hiasana herintaona mahery sisa? Voalaza fa isan’ny toerana nanaovan’ny Filoha Rajoelina bizina sy fandraharahana I Dubaï rehefa niala tsy ho Filohan’ny tetezamita izy ka asa hanao ahoana ny mety ho endri-piaraha-miasa sy ny tambiny amin’izany raha hisy tokoa?
Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap