airtel

Politique

23-mai-2022

Politique

Andry Rajoelina Lasa malala-tànana amin’ny Fiangonana

Sample post image

Fihetsika isan’ny nanakianana an’i Marc Ravalomanana tamin’ny fotoan’androny hatramin’izao ny nanakaikezany hatrany ny Fiangonana, indrindra fa ny FJKM (Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara).

23-mai-2022

Voizina hatrany ny tsy tokony hisian’ny fifanitsahan’ny Fanjakana na ny « Laïcité de l’Etat ». Adihevitra goavana teto ny resaka fianianana misy baiboly sy tsy misy dia ny an’i Marc Ravalomanana tamin’ny 2002 sy ny an’i Andry Rajoelina ny taona 2019. Raha raisina amin’ny fihetsiky ny mpanao politika maro an’isa, izay saika olon’ny fiangonana avokoa ankoatra ny maha olom-pirenena, dia lojika ny mety hananany anjara toerana na andraikitra any amin’ny fiangonana, ankoatra ny mety ho fitondrany anjara biriky samihafa. Ny mpifidy amin’ny fifidianana ihany koa saika manana ny fiangonany avy, ary olom-pirenena avokoa ireny. Mbola azo iadian-kevitra ny resaka « Laïcité de l’Etat » io, ary raha maka ohatra kely ohatra, dia fivavaham-panjakana Britanika ny fivavahana Anglikanina, ny firenena Arabo saika mametraka ny Korano ho fototra iorenan’ny Fanjakana,… Tsy atao mahagaga noho izany ny fidiran’ny mpanao politika an-tsehatra any am-piangonana amin’ny maha kristianina na any amin’ny finoana hafa. Ankehitriny, rehefa tena zohiana ny fihetsika miseho ankehitriny, tsikaritra ho miezaka maka ny fon’ny fiangonana ny Filoha ankehitriny. Mitombo ny fahitana azy amina lanonana ara-pivavahana, lasa malala-tànana kokoa. Taorian’ny fihetsiny tany Morondava roa herinandro teo izay, nitokana fiangonana tany Tanakompania Ihosy ny Filoha Rajoelina omaly. Naneho fa ny fampanantenana efa nataony tsy maintsy tanterahina hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Tamin’ny 19 Mars 2017 no nanombohan’ny Kristiana tao amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) Tanakompania ny asa fanorenana ity trano fiangonana ity. Tafatsangana ny rindrina noho ny ezaky ny Kristianina tamin’izany. Nanomboka ny taona 2019 kosa no nanambara ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Andry Rajoelina raha nitsidika teto Ihosy, fa ho raisiny an-tanana manontolo ny fanamboarana ny trano fiangonana miaraka amin’ny fampitaovana ao anatiny, hoy ny fanazavana. Rehefa zohiana, tsy mifankaiza firy amin’ny fihetsika nanenjehana an’i Marc Ravalomanana ny miseho ankehitriny.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap