airtel

Politique

13-janv-2021

Politique

Andry Rajoelina Manamafy ny fanohanany ny foloalindahy

Sample post image

Nandray anjara tamin'ny fankalazana niaraka tamin'ny Vondrona Mpiaro ny Filoha

13-janv-2021

 

 


eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika ny Andron’ny manamboninahitra isaky ny 12 janoary ihany koa ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly. Semban-drahona anefa ny fankalazana ny andron'ny Manamboninahitra tamin'ity taona ity noho ny fahalasanan'ny lehiben'ny Etamazaorin'ny Tafika anabakabaka, ny Général de Brigade Aérienne Radona Ellis Ratiarivelo, izay nodimandry ny 11 janoary 2021. Toy ny isan-taona dia ny manamboninahitra zandriny indrindra no nitondra ny fibaikona nandritra ny lanonana fananganan-tsaina, narahin'ny fanolorana ny gisa ho an'ny Filoham-pirenena ary ny fanatanterahana ny hazakazaka ara-piralahiana teto amin'ny lapam-panjakana Iavoloha. Nanantitra ny fiarahabana ireo manamboninahitra manerana ny Nosy ny Filoha Andry Rajoelina ary nohamafisiny hatrany ny fanohanany foloalindahy sy ny famerenana indray ny hasin'ny tafika Malagasy izay tandroka aron'ny vozona miaro ny vahoaka malagasy, hoy i Andry Rajoelina.

Toky R

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Nidina ifotony nanaramaso ny lisipifidianana teny amin’ny fokontany Andafiavaratra

Card image cap
27-mars-2024

Mbola tena marefo ny fiainan’ny antoko politika eto Madagasikara hoy Ramatoa Mireille Andriambolanoro,

Card image cap
27-mars-2024

Tsy mametram-panontaniana ve isika, hoy i Raobelina Andry avy ao amin’ny kolekitifa an’ny Malagasy hoe :

Card image cap
27-mars-2024

Sarotra ny hananana fanantenana fa hiova hahomby izao fitondrana misy izao.

Card image cap
27-mars-2024

Vaovao politika nalaza tao anatin’ny 48ora farany ny fanambarana politika

Card image cap
27-mars-2024

Nisy ny tafa tamin’ny mpanao gazety nataona parlemantera vitsivitsy,

Card image cap