airtel

Politique

11-mai-2022

Politique

Andry Rajoelina Misy mampijabaka sa tena tsy mahay… ?

Sample post image

Maro no manomboka velom-panontaniana ankehitriny : fa inona marina no tena mahazo azy ao an-dapa ao ? Misy mampijabaka sa inona no tena antony mahatonga ny filoham-pirenena malagasy ankehitriny matetika mandray

11-mai-2022

fanapahan-kevitra hita ho tsy voalanjalanja na koa mamoaka fanehoan-kevitra sy fanambarana mampihemotra azy tampoka avy eo na mamatotra azy any aoriana? Mahita zavatra hafahafa tenenina foana ilay filoham-pirenentsika.
TAOM-BAOVAO
Tsy mba voadinika ve ny kabary sa ahoana? Tamin’ilay “taom-baovao malagasy” nankalazaina fararano iny, ohatra, izao dia namoaka fiarahabana tao amin’ny tambazotran-tseraserany ny filoham-pirenena. Nofafana izany avy eo rehefa voakiana hoe io izany no daty efa ekeny amin’ireo karazan-daty miisa 3 mbola mampiady hevitra.
FANORENANA SEKOLY
Ny 8 mey teo indray dia nolazainy fa 510 monja no isan’ny sekoly naorin’ireo mpitondra teo alohany ary izy no nahavita sekoly miisa 480 tao anatin’ny 3 taona nitondrany. Niteraka resa-be sy adihevitra tao amin’ny tambazotra-tserasera moa ity fanehoan-kevitry ny filoham-pirenena ity ka samy namoaka ny tarehimarika nananany ny mpanohana ireo filoham-pirenena rehetra teo aloha. Ny amiraly Didier Ratsiraka kosa no efa nilaza fony fahavelony fa Sekoly Fanabeazana Fototra na SFF (EPP taty aoriana) miisa 11.000 no naorina manerana an’i Madagasikara nandritry ny repoblika faharoa saingy iniana atao, hoy izy, izay hanadinoina ny zava-bitany.
HAMPINDRAM-BOLA AN’I KAOMORO
Taloha hoe hampindram-bola an’I Kaomoro. Ny Diaspora Kaomorianina anefa, fantany ve hoe mampody 1 miliara dolara isan-taona any Kaomoro? Ny Diaspora Malagasy ve mahavita toy izany? Na ny famatsiam-bola azon’I Madagasikara isan-taona aza tsy mahatratra izany. Mbola tsaroana ihany koa ny resaka nataon’ny Filoha Andry Rajoelina tany Tolagnaro ny 2020 nanao hoe : tsy hanao politika intsony aho raha tsy vita ny lalam-pirenena faha 13 (RN13); efa nisy karazana fitsirihana natao tany fa avy eo nangiana, ny vondrona eoropeanina no nilaza hoe tena efa mandinika an’io mihitsy izahay; tsy misy daty mazava izay resaka fanombohan’ny asa amin’izao 2022 izao.Fa tenenina fotsiny ve ilay izy aloha dia izay vao mikaroka paika sy tetika ? Iza no tsy mahalala ny resaka hoe “digitalisation” handaminana ny fizarana vatsim-pianarana eny amin’ny oniversite sy hanatsarana ny fomba fiasa eny amin’ny fokontany.Efa mba milamina ve ireo ? TanaMasoandro, teleferika, Rovan’Antananarivo handray mpitsidika…aiza daholo izany .Elikoptera hitsirika sy hanenjika dahalo, asa hoe tanteraka amin’ny firy isan-jato. Ny fahitana azy dia maro be ny andrakandrana atao amin’ny fitantanana ny firenena ka tsy tokony atao mahagaga raha tsy dia misy vokatra tsara azo tsapain-tanana.Misy mampijabaka ve ingahy Filoha sa tena tsy mahay politika e ?
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap