airtel

Politique

02-déc-2024

Andry Rajoelina

Nanolotra fiara « 4x4 » ho an’ny Filohan’ny FPVM

Sample post image

Niara-niombom-bavaka tamin'ireo mpino eo anivon’ny Fiangonana FPVM ny Filohan’ny Repoblika

02-déc-2024

nandritra ny fotoam-pivavahana ho an'ny firenena notanterahina teny amin'ny Kianja mitafo Mahamasina. Naneho fankasitrahana sy nankahery manokana ny Pasteur Randrianantoandro Jean Joseph, Filoha Mpanorina ny FPVM, izay mankalaza ny maha dimampolo taona naha Mpitandrina azy, ny Filoha Andry Rajoelina, hoy ny tatitry ny Fiadidian’ny Repoblika omaly. Nandritra io no nanoloran’ny Filoham-pirenena fiara tsy mataho-dàlana ho an’ny Filohan’ny FPVM. Zony tanteraka ny manolotra izany ary izay tokoa ilay hoe sambatra ny manome noho ny mandray saingy betsaka ihany koa ny fanontaniana sy ny vazivazy zary tenany manoloana an’io hoe : raikitra ve ny pi-maso amin’ny mpino amin’izao fotoam-pifidianana izao ? Sao dia ny efa avo ihany no tovanana fa ny vahoaka madinika tsy misy mpijery sy mpiahy ?
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

16-juil-2026

vahoaka amin’ny ady seza lava eto?»

Card image cap