airtel

Politique

03-mai-2021

Politique

Andry Rajoelina “Olona voafantina no hatao vaksiny fa tsy ny rehetra”

Sample post image

Amin’ny 07 mey no ho tonga ny vaksiny andiany voalohany. Efa nisy karazana vaksiny tapaka niarahana tamin’ny Akademiam-pirenena momba ny fitsaboana,

03-mai-2021

 dia ny covishield no hafaran’i Madagasikara sy ho tonga. Fomba roa dia ny initiative covax ny iray, ary ny faharoa dia iarahana amin’ny Vondrona Afrikanina izay any ho any amin’ny septambra no ho avy, raha ny fanazavan’ny Minisitry fahasalamana Pr Rakotovao Hanitrala Jean Louis omaly. Ireo Mpiasan’ny fahasalamana, marefo, zokiolona, mpitandro filaminana no hisitraka izany voalohany. Efa misy lamina mifandraika amin’izany, efa misy tobim-pahasalamana afaka mandray ny anaran’ireo atao vaksiny, efa manana ny azy ny tafika, ny diabetika eny amin’ny AMADIA,… Io vaksiny andiany voalohany io dia tehirizina amina maripana +2 hatramin’ny +8°C, ary efa vonona amin’izany ny Fanjakana, hoy ny fanazavana. Mikasika ny tsy fahafahan’ny sehatra tsy miankina manafatra sy mivarotra vaksiny kosa, dia nilaza ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, fa mila mitandrina satria misy vaksiny hosoka, ka ny Minisiteran’ny fahasalamana ihany no mandrindra izany. “Vaccination ciblée” izany hoe ho ana olona sy sokajin’olona voafantina fa tsy “vaccination de masse” na faobe, izay nambaran’ny Filoha fa misy ny firenena nanao an’izany toa an’i Inde, saingy iaraha-mahita ny vokany. Afaka jerena manokana ho an’ireo manolo-tena hatao vaksiny na izany aza, ka ny Minisiteran’ny fahasalamana no miantsoroka izany. Mba hisorohana sy hiarovana ny vahoaka Malagasy, dia tsy misy olon-tsotra na orinasa afaka manafatra. Ireo masoivoho na orinasa maniry an’izany, dia amin’ny alalan’ny Minisitera ihany, raha ny fanazavan’ny Filoha.

Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap