airtel

Politique

16-mars-2021

Politique

Andry Rajoelina Sarotra ny toerana misy azy

Sample post image

Tojo vanim-potoana manahirana ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina. Mandeha ny tsindry ara-politika amin’ny endriny maro,

16-mars-2021

 na avy aty ivelan’ny fitondrana na ao anatiny. Ireny efa niaraha-nahalala ireny ny tenin’ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy sy ny depiote Lanto Rakotomanga momba ny fanakianana ny olona sasany ao anaty governemanta, izay tsy mahavita azy. Efa karazana tsindry politika ireny na tsy misy fanerena ny Filoha aza. Endrika maneho, fa ny ao anaty Fitondrana aza efa miaiky fa kofona ny Fanjakana. Iny vaky bantsilana iny ihany koa ny ady eo amin’ny Talen’ny seraseran’ny fiadidian’ny Repoblika sy ny Minisitry ny serasera na tsy mivantana aza. Ny avy ety ivelany, dia mirangorango ny mpanao politika sasany, izay misy ny toa manararaotra ny fisian’ny hetsiky ny mpanohitra, ka manao pi-maso amin’ny fitondrana. Mandeha ny paikady sy ny kajikajy politika, ka manomboka miseho ireo karazana vondrona sy antoko politika, izay misy ny maneho ankolaka na mivantana fa namana ka mba jereo rehefa tonga ny fizaran-tseza raha vantanina,… Ny olana ara-tsosialy, toekarena, fahasalamana anefa mbola manahirana etsy andaniny. Toa tsy tena mahita horaisina ny Filoha sy ny ekipany. Sarotra ny toerana misy an’i Andry Rajoelina, ary ahafaha-mijery ny maha tena mpitarika (Leader) azy na tsia ny fifehezana ny krizy miseho. Mbola izy no lohany sy tompon’ny fanapahan-kevitra farany eto amin’ny firenena, saingy hita ho kofona sy tsy mahita izay tena ho raisina. Tsy voafehy ny mpiara-dia, hany ka toa vao mainka mandemy ny Fanjakana. Amin’ny fomba ahoana moa no inoana fa hahavita hamaha olana goavana be maromaro, kanefa ny adin’ny samy olona ambony ao anaty fitondrana aza manahirana ka hanaovan’ny olona vazivazy hoe alefaso any amin’ny fampiadiana akoho any Antsiranana? Isan’ny poizina ho an’ny Fitondrana ny nanamaivanana ny fampihavanam-pirenena sy ny fiheverana, fa mandrakizay ny fahefana sy ny tanjaka politika. Efa 2021 isika izao fa tsy 2009 intsony ka mila mandinika sy manetry tena ihany.

Toky R

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap