airtel

Politique

02-août-2021

Politique

Andry Rajoelina Telo taona omaly ilay hoe: “hanavotra an’i Madagasikara”

Sample post image

Feno telo taona katroka omaly 01 aogositra ny fanambarana nataon’Atoa Andry Rajoelina nilaza tetsy Mahamasina hoe:

02-août-2021

 “ Ry Malagasy namana, reko ny antsonareo toa ny dobok’amponga miredona ao anatiko ka mandona ny foko. Voaraiko ny tsodranonareo avy any aminareo ray aman-dreny rehetra. Ary ny tso-drano zava-mahery, koa ity aho manoloana anareo. “Efa nilaza fa hipetraka ho vaha olana ho an’i Madagasikara, hitondra vaha olana hoan’ny firenena Hamerina ny fanantenana fa tsy hitondra fahantrana mba hampiverina ny fitiavantanin-drazana ao am-pon’ny tsirairay avy. Efa nitondra ny firenena ny tenako ka tsy fahefana no tadiaviko, tsy voninahitra, tsy tombotsoa manokana, fa te hitondra fampandrosoana hametrahana an’i Madagasikara amin'ny toerana tokony hisy azy. (…) Ny fiainako manontolo dia atolotro hoan’ny firenena ary ho ataoko ny ezaka rehetra izay tratrin’ny aiko hampandrosona an’ity Nosy malalantsika ity”, hoy i Andry Rajoelina. Koa androany 1 aogositra 2018, izaho Andry Rajoelina dia manambara amin'ny fomba ofisialy fa manolo-tena hoan’ny Tanindrazana ka hirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena, hirotsaka ho fidiana hiadidy ny fampandrosoana ny Repoblikan’i Madagasikara. (…) Isika rehetra tsy maintsy mandresy satria Isika rehetra no hanavotra an’i Madagasikara !”, hoy I Andry Rajoelina. 3 taona katroka aty aoriana, tsy mbola niaina fahantrana lalina sy fahadisoam-panantenana noho izao I Madagasikara tao anatin’ny 60 taona. Tsy mazava ny sori-dàlana sy ny vina, ary indrindra ny paikady hoenti-manatanteraka izany, ka fomba fiasa misavoamboana no nenti-mitondra firenena. Harin-karena faobe -4%, raha 5,2% no noraisina teo! Ny volana desambra 2018 tao anatin’ny adihevitra nifanaovany tamin’i Marc Ravalomanana no nilazany fa tsy ilaina ny famatsiam-bola amin’ny mpamatsy vola mahazatra mampahantra firenena, fa isika aza no hampindrana an’i Kaomoro. Zary fialana bala ny hoe: niaina krizy ara-pahasalamana itoviana amin’ny iraisam-pirenena, saingy hoy Atoa Marc Ravalomanana hoe: ny firenen-drehetra samy nandalo coronavirus tafavoaka koa nahoana anefa isika no vao mainka miha gisitra ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap