airtel

Politique

23-juin-2021

Politique

Andry Rajoelina “Tsy mahavita mampiombona ny Malagasy”

Sample post image

"Malagasy miray hina sy miara-mientana ho amin'ny fitiavan-tanindrazana”, io no lohahevitry ny fanamarihana sy fankalazana ny faha-61 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara amin’ity taona ity.

23-juin-2021

 Zava-dehibe izany firaisan-kiana sy fiaraha-mientana izany, saingy ny zava-misy sy miseho amin’izao fotoana izao aloha, dia lavitry ny fiombonana isika eto. Zarazarain’ny hevitra tsy mitovy raha ny lafiny politika, ny vahoaka samy maka ho azy hany ka hatramin’ny fanangana-tsaina aza toa maro no malailay fonosona. Tsy tokony hidiran’ny resaka politika ny fananganana ny saina izay fanevam-pirenena. Maro ny antony mahatonga ny fisamatsamahana lavitry ny firaisan-kiana, mifanjevo amin’ny politika. Misy ny fomba fiteny Malagasy hoe: “Tany misy olobe, tsy miady zaza”, izany hoe raha misy ny olona Raiamandreny lehibe tsongoin’olom-bolo ao amin’ny tany sy ny firenena na faritra iray, dia afaka misoroka ny ady satria misy olobe to teny. Ny Filoham-pirenena no Raiamandreny voalohany eto amin’ny tany sy ny Fanjakana fa moa tena mipetraka ho Raiamandren’ny Malagasy ve Atoa Andry Rajoelina? Moa tsy mbola lokon’antokony no hisalorany sy ezahiny asongadina isan’andro? Io no terena hampanjakaina sy harahin’ny besinimaro. Ny Filoha no Raiamandreny voalohany tokony ho fitaratra sy hitarika ny fampihavanam-pirenena, saingy tsy hita taratra izany. Mbola manjaka ny lonilony, ary zary iray amin’ireo laharam-pahamehana iray eto aza ny fanenjehana mpanohitra. Na aiza na aiza eto ambonin’ny tany tsy hisy firenena afaka handroso ao anatin’ny fifamaliana faty, korontana mivantana na ankolaka ara-politika,… Mila mipetraka ho tena Raiamandren’ny Malagasy ny mpitondra, ary tokony handinin-tena ihany raha tsy mahavita mampiombona araka ny tokony ho izy ny firenena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap