isan’ireo mpitarika io Fikambanana io fa mandrisika ary hanohana ny filatsahan-kofidiana ho Ben’ny Tanàna an’i Clémenche Raharinirina hofidiana ho ben’ny tanàna eto Antananarivo amin’ny taona 2023 izy ireo. Vonona ny Taxi hirotsaka ho mpanolon-tsaina hiaraka amin’izay mahafeno ny fepetra takiana, vonona hiara-hiasa sy hampandany azy araka izay azo atao, hoy ny fanamarihana. Izay no isan’ny anton’ny fivoriamben’izy ireo omaly tetsy amin’ny Hotel Astauria tetsy Antanimena omaly. Efa nampoizina ihany ny tahaka izany amin’ny politika. Rtoa Clémence Raharinirina izay isan’ireo nikasa ho kandidan’ny IRD tamin’ny fifidianana farany, saingy I Naina Andriantsitohaina no nahazo izany, ary izy kosa nitana ny lohalisitry ny mpanolontsaina monisipaly. Tsy nitovy ny tadin-dokanga amin’ny andaniny sy ny ankilany tato aoriana, lasa nanao pi-maso amin’ny taxi-motos izay fahavalon’ny taxi ny ben’ny tanàna. Voalaza mantsy fa manodidina ny 7400 ny taxi-moto eto Antananarivo, izay efa mifanahantsahana amin’ny fokontany iray eto Antananarivo. Karazana fametrahana “rapport de forces” eo anatrehan’ny fisintahan’ny taxis voalaza fa manodidina ny 7800 amin’I Naina Andriantsitohaina no nampandaniana ny taxi-moto na efa notsipahan’ny mpanolontsaina monisipaly in-droa aza. Na ny mpanolontsaina Komba aza isan’ireo nampiditra an’io ho lahadinika sy holaniana tamin’ilay fampandaniana tsy lany 28-27 roa volana teo izay. Samy mikendry ny hahazo ny toerana ben’ny tanàna amin’ny 2023, ary efa io miseho io ny sary ankehitriny. Ny sary hita amin’izao, misy sehatra homena vahana sy tambazana raha ny tontolon’ny fitaterana an-tanan-dehibe, ka dia samy hamelo-maso sy hanome vahana izay nahazoany tombotsoa ve izany rehefa tonga eo amin’ny toerana? Isan’ny mpifanandrina voalohany ho an’ireo manam-pikasana hirotsaka ny ben’ny tanàna ankehitriny Naina Andriantsitohaina ka asa hoe: hanao ahoana ny sary politika manaraka? Mety ho kandidan’ny TIM ve i Clémence Raharinirina sa handeha amin’ny anarany manokana ?
Toky R
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,