airtel

Politique

02-oct-2024

Antananarivo Renivohitra

Nahafeno fepetra avokoa ireo kandida 7

Sample post image

Tokony ho ny alatsinainy 30 septambra teo no nivoaka ny lisitr’ireo kandida manerana

02-oct-2024

ny Nosy nankatoavin’ny OVEC, saingy hatramin’ny omaly tsy nisy resaka firy. Samy nanao ny azy mangingina ? Izay tsy tafiditra dia mampiakatra ny raharaha eny amin’ny CENI ary raha tsy tafavoaka ao dia mbola afaka mampiakatra eny amin’ny CENI. Ho an’ny eto Antananarivo manokana, efa nisy ny fampahalalam-baovao nitatitra fa nahafeno fepetra avokoa ireo lisitra kandida miisa 7 mirotsaka eto Antananarivo Renivohitra, ka nankatoavin’ny OVEC. Raha hiverenana kely, dia ireto avy ireo kandida mirotsaka eto Antananarivo Renivohitra : Tahina Razafinjoelina, Tojo Ravalomanana, Harilala Ramanantsoa, Gascar Fenosoa, Joseph Martin Randriamampionona, Monja Roindefo, ary Ndriana Razanamasy. Heverina fa hafana ny fifaninana satria isan’ny stratejika be ara-politika i Antananarivo. Ny irariana fotsiny dia ny tena hisokafan’ny mason’ny vahoaka sy hahaizany mifidy mba tsy ho sorona lava sy hiha hilentika hatrany ny Renivohitr’i Madagasikara, fa hivoatra sy hirindra amin’izay ny fitantanana, ny fiainan’ny vahoaka miaina sy mivelona eto, ny raharaham-panjakana,… Any amin’ny 19 novambra hatramin’ny 09 desambra ny propagandy hahafahan’ny vahoaka mamantatra amin’ny antsipirihany ny vina sy progaraman’asan’ireo kandida. Ny seraseran’ny CENI moa namoaka fa ny talata 08 oktobra farafahatarany no hamoahan’io Vaomieram-pifidianana io ny lisitra ofisialin’ireo kandida amin’io fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolontsaina io. Ny 09 oktobra tapany maraina kosa no hanatanterahana ny fisarihana ny laharan’ny kandida tsirairay ao anatin’ny bileta tokana, any amin’ny rantsa-mangaikan’ny CENI isaky ny distrika. Tsiahivina hatrany fa 157 amin’ny 1695 no tsy misy afatsy kandida tokana, izay tsy mbola nisy teo amin’ny tantaran’ny fifidianana, porofo maneho ny fanasarotana sy ny kajikajy maloto nialohan’ny fotoana,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-janv-2025

Hivoaka anio 17 janoary amin’ny 10 ora maraina etsy amin’ny Tribunal Admnisitratif Anosy

Card image cap
17-janv-2025

Efa anaty krizy izao i Madagasikara, hoy ny mpanao politika sady mpahailalàna, Alain Mahavimbina.

Card image cap
17-janv-2025

Manomboka miverina sy mifoha ny resaka fitakiana ny famoahana ireo gadra politika amin’izao

Card image cap
17-janv-2025

Tsy natao hanakorontana na hanimba zavatra ny fanoherana, hoy ny antoko politika FLN na «Front de libération national».

Card image cap
17-janv-2025

Foto-pisainan’ny antoko politika FLN na «Front de libération nationale» ny hoe tsy misy vahoaka resy amin’ny taniny,

Card image cap
17-janv-2025

Tena manahirana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny antoko politika Maeva na Madagasikara

Card image cap