airtel

Politique

15-mars-2021

Politique

Antanifotsy-Vakinankaratra Mihorohoro amin’ilay depiote ny fonksionera

Sample post image

Mitatao eo an-dohan’ny fonksionera miasa ao amin’ny Distrika Antanifotsy, Faritra Vakinankaratra

15-mars-2021

 

 

 

 ny fampindran-toerana avy hatrany raha tsy azoazo na koa tsy manao sy manatanteraka ny sitrapon’ity parlemantera iray avy amin’ny antoko eo amin’ny fitondrana. Tebiteby sy horohoro lava no iainan’ireo mpiasam-panjakana amin’iny Distrika iny eo anatrehan’izany. Ireo mpampianatra sy ny mpiasan’ny fahasalamana no tena mahatsiaro ho voageja manoloana ny fihetsik’ity olomboafidy ity. Niharan’ny antsojay ny mpiasan’ny fahasalamana iray tao Ambohimandroso rehefa tsy nanaiky ny hanome “certificat médical” olona tsy hitany maso akory hatao fizaham-pasalamana hamantarana ny tena fahavoazany fa terena hatao anjambany. Niharan’ny tsindry famindran-toerana hatramin’ny lehiben’ilay mpiasan’ny fahasalamana mihitsy tamin’io tranga io. Fanamparam-pahefana, fanararaotana, fitsabahan’andraikitra no andikan’ny maro ny fihetsika ataon’ity parlemantera ity.

Jean D.

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap