airtel

Politique

13-janv-2021

Politique

Antenimieram-pirenena “Tsy maintsy havoakanay ho fantam-bahoaka io”

Sample post image

Manoloana ny raharaha fanondranana volamena an-tsokosoko, dia nivory ny Vaomieran’ny

13-janv-2021

 

 

 

 

« ressources stratégiques » teo amin’ny Antenimieram-pirenena omaly 12 janoary 2021 tamin’ny 10 ora maraina teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza. Nanome fanazavana ny filohan’ny Vaomiera Depiote Mohamad Ahmad fa efa eny anivon’ny Fitsarana ny famotorana, noho izany dia tsy afaka ny hanangana vaomiera mpanao famotorana intsony ny Antenimieram-pirenena. Tsy manakana anefa izany ny hitadiavan’izy ireo ny vaovao mari-pototra satria amin’ny maha solombavambahoaka azy ireo ary amin’ny maha raharaham-pirenena ny zava-mitranga dia maro ny vahoaka no mangataka fanazavana sy mitaky ny marina mahakasika izany. Haka ny antontam-baovao faran’izay marina ary haingana indrindra, ary ampahafantarinay ny vahoaka fa tsy atao tompon-trano mihono, hoy io depiote io. Isan’ny efa naneho hevitra momba io trafika io moa ny depiote Brunelle Razafitsiandraofa sady efa tompon’andraikitra teo anivon’ny Polisy misahana ny sisin-tany (PAF), izay naneho fa misy tsikombakomba matoa tafavoaka eto Madagasikara ireny volamena 73, 5 kg ireny. Tsy afa-miala amin'izany, fa anisany tompon'antoka ny ACM. An-tanan-tohatra maro ihany koa no lalovana vao afaka miditra any anaty fiaramanidina ny olona na ny entana, hoy izy.

Toky R

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap