airtel

Politique

29-oct-2025

Antenimierampirenena

Horaketina anio ny fifidianana Birao maharitra…

Sample post image

Hotanterahana anio alarobia 25 oktobra manomboka

29-oct-2025

amin’ny 9ora maraina ny fifidianana izay ho Mpikamban’ny Birao maharitry ny Antenimierampirenena raha ny loharanom-baovao azo omaly hariva. Ny fifidianana izay nikatso sy nisy olana noho ny adivarotra tao Tsimbazaza, hany ka ny Filohan’io Andrim-panjakana io ihany no voafidy ny 15 oktobra ampitson’ny fifanonganana teo amin’i Andry Rajoelina nandray didy avy any ivelany milaza fa rava ny antenimierampirenena araka ny andininy faha-60 amin’ny lalàmpanorenana, saingy nolavin’i Tsimbazaza andaniny. Narahin’ny fanonganana nataon’ny depiote araka ny andininy faha-131 amin’ny lalàmpanorenana izay mpikambana 130 amin’ny 131 tonga nifidy no nandany ny fanonganana filoham-pirenena. Nifamahofaho teo, ka nieritreritra saika hidingin-drambo indray ny IRMAR nanizingizina fa tsy mbola manana ny maro an’isa ao Tsimbazaza amin’ny alalan’ny depiote 106. Andro vitsy taoriana, nipoitra indray ireo depiote tsy miankina sy IRMAR sasany nilaza fa miala anatin’io Vondrona Parlemantera IRMAR ny 80% amin’ny mpikambana. Nitsimbadika ny rasa, saingy adihevitra ihany koa io satria ny andininy faha-72 amin’ny lalàmpanorenana indray no milaza fa mandritra ny fe-potoam-piasany, ny Solombavambahoaka iray dia tsy mahazo manova vondrona ara-politika hanatevin-daharana vondrona vaovao ankoatry ny iray izay nifidianana azy. Raha sanatria ka misy fandikana dia azo atao ny mangataka fanonganana amin’ny HCC. Miova tanteraka ny fironana politika dia nanaraka izany ny tsio-drivotra ao Tsimbazaza. Andrasana izay ho firafitry ny Birao maharitra satria nivadika ho ilay antsoina hoe : « majorité présidentielle » indray izany no ho maro an’isa ao. Isan’ny andrasana amin’ny depiote moa ny fandinihana sy fanintsiana ny tetibolam-panjakana, indrindra eo anatrehan’ny olana ara-bola miseho ankehitriny. Dia andrasana indray izay tohiny e !
Toky R

 

Dans la même rubrique

05-févr-2026

CENI fa tsy maintsy miandry Fikaonandoham-pirenena"

Card image cap